Haiady Karate-Do: Mila averina ny fitiavan’ny olona ny taranja

Anisan’ny taranja be mpankafy taloha ny karate-do, teto Madagasikara, indrindra ho an’ny teto an-dRenivohitra. Latsa-danja izany tato ho ato noho ny antony maro samihafa. “Firenena manana mpikatroka tena mahay isika, misy anefa ny sakana tokony hialana”, hoy ny Sensei Francis Renaud na ny Maître Balam.

75 taona amin’izao ny Sensei Francis Renaud na ny Me Balam. Tempana mainty, 7è Dan Renshi, amin’ny taranja Karate izy. Anisan’ny tsangambato velon’ny taranja eto Madagasikara. Tsy manadino ny mpandimby, hiaro ny voninahi-pirenena. Ny fivezivezena any ivelany no tena nanamarika ny tantarany. Nifanindran-dalana tamin’izany ny fananganany ny ivontoerana any Frantsa, Wado Ryu Academy, nanomboka ny taona 1990.
Isan-taona, tsy maintsy miverina an-tanindrazana ny tenany, mitondra ny anjara birikiny amin’ny fifampizarana traikefa. Misy ny fampiofanan ataony ho an’ny Malagasy karateka. “Ny vatana no tsy nipetraka teto Madagasikara fa ny fo amam-panahiko dia teto foana”, hoy izy nifampizara ny lalam-piainany. Nilaza izy tamin’ny resadresaka nifanaovana taminy, teny Ambohimanga, afakomaly, nandritra ny hetsika nokarakarain’ny ligin’Anala­manga, fa zava-dehibe aminy ny fampiroboroana ny taranja. “Firenena manana mpikatroka tena matihanina sy afaka mivelatra amin’ny sehatry ny iraisam-pirenena i Madagasikara. Tena tsy mena-mitaha isika”, hoy izy. Nasiany tsindrim-peo koa anefa ny lesoka izay zary vato misakana. “Misy mpikatroka tena manana ny maha izy azy eto Madagasikara. Betsaka ny atleta afaka mifaninana amin’ny fiadiana ny tompondaka afrikanina na maneran-tany saingy tsy afaka mivelatra izy ireny. Matetika ny mpikatroka tokony halefa hisolotena an’i Madagasikara tsy lasa, fa olon-kafa no mandeha. Tsy hidirako ny lamin’ny tomponandraikitra amin’izany fa fanamarihana tsotra iny ny ahy”, hoy hatrany izy.
Miabo ny fomba fijerin’ity karateka, raiamandreniben’ny taranja, ity. “Matoky aho fa hiaka-danja hatrany ny tontolon’ny karateka eto Madagasikara. Betsaka ny klioba, izay samy manao izay ho afany amin’ny fampiroboroboana ny taranja, na inona na inona sokajy nosafidiany. Maro koa ny ankizy madinika sy tanora vonona handimby. Andraikitray ny mizara ny traikefa ahafahan’izy ireny mivelatra”, hoy izy nanohy ny dinika.
Marihina fa ny taona 1969 no nanomboka nanao karate ny Me Balam. Nialoha izay, ny taranja judo sy ny boxe anglaise no niangaliany. Vao enin-taona kosa izy dia efa niditra an-tsehatra tamin’ny filalaovana morengy. Tsy teto an-dRenivohitra ihany, fa nanaparitaka ny taranja tany Antsiranana, noho izy voatendry hiasa tany an-toerana taorian’ny fianarany. Niaraka tamin’ny sensei Lai Kam, Tsio Hang Henri, nantsoina hoe Bomba, ary ny Me Ho Fu Lone, izay mpianatry ny sensei Masataka Abe, nodimbiasan’ny Me Masafumi Shiomitsu.

Hamafisina ny firaisankina

Anisan’ny nampihemotra ny mpankafy ny taranja ny disadisa teo amin’ny samy mpitarika, nandritra ny fotoana maro. Anisan’ny nanimba be dia be ny ady sezan’ny mpitarika isan’ambaratonga. Milamina sy mipetrapetraka anefa izany amin’izao fotoana izao. Efa miasa sy mifanome ny rafitra an-tanantohatra. Ho an’ny ligin’Analamanga manokana, tantanan-dRakotomalala Pierrot, betsaka ny ezaka vita tao anatin’ny herin-taona. Anisan’ny homen-danja manokana ny eny anivon’ny seksionina miisa valo mandrafitra ny ligy. Nambarany fa tsy misy maha ligy ny ligy raha toa ka atao an-kilabao ny rafitra eny ifotony. Izay rahateo no tena tanjon’ny mpitantana, hiainga avy any ifotony ny fampiroboroboana ny taranja.
“Ankoatra izay, hanome vahana ny mangaraharaha sy ny fitantanana tsara izahay. Homen-danja manokana ihany koa ny fiara-mientan’ny ekipa. Ho anay manokana tena napetraka mazava ny lamina anatiny. Mizara roa mazava tsara ny fitantanana ara-panjakana, andaniny. Ny fitantanana teknika, an-kilany. Tsy mahazo mifampijabaka andraikitra ny olona misahana an’ireo. Andraikitro amin’ny maha filohan’ny Ligy kosa anefa ny mandrindra sy mampifandray ireo raha ilaina izany. Tsy maintsy tadiavina ny fomba rehetra tsy hisian’ny olana ka ho vato misakana ny fampandrosoana ny karate”, hoy ity filohan’ny ligy ity.
Ankoatra ny fitantanana, vaindohan-draharahan’izy ireo koa ny fanamafisana orina ny firaisankinan’ny klioba sy ny mpikatroka. Porofon’izany, nisy, ny asabotsy lasa teo, ny fitsangantsanganana nataon’izy ireo teny Ambohimanga Rova. Dia an-tongotra namakivaky ny tanàna izany. Taorian’izay ny famelabelaran-kevitra mahakasika ny fandraharahana, ny momba ny angovo azo havaozina ary ny fadin-tseranana. Lohahevitra telo nahaliana ny mpikatroka, ka nahatonga ny tomponandraikitra nikarakara izany.
Tsy mijanona amin’Analamanga samy irery ny drafitrasan’ny ligin’Analamanga fa mety hiitatra amin’ny fifanakalozana teknika amin’ny ligim-paritra hafa. Tanjona ny hampiroboroboana ny taranja manerana ny Nosy.

Randria

Partager sur: