Saika hanondrana volamena: Teratany Sri-lankais iray tratra tetsy Ivato

Tratra tetsy amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ny ny lehilahy iray teratany Sri-lankais saika hanondrana vovo-bolamena 4 kilao, afa­komaly. Saika haondrany hi­voaka an’i Madagasikara, ho any Dubai, izany kanjo izao tratra izao. Nafeniny tao anaty “rice cooker” izay nentiny ireo vovo-bolamena ireo. Noza­razarainy sy notsinjarainy tao anaty harona plastika miisa efatra. Nofonosiny tao anaty taratasy metalika tao amin’ilay “rice cooker” izany avy eo, mba tsy hisy ahita. Nahatsika­ritra zavatra tsy ara-dalàna tamin’ny entan’ity teratany Sri-lankais ity ny tomponandrai­kitra ka nisava ny entany re­hetra. Tamin’izany no nahatrarana ireo vovo-bolamena saika haondrana antsokosoko ireo.
Nosamborina avy hatrany izy ary efa miatrika famotorana eo anivon’ny sampandraharahan’ny fadintseranana amin’izao fotoana izao. Efa nalefa any anivon’ny Banky foibe kosa ireo entana tratra.
Anisan’ny ahitana fanondranana harena voajanahary hatrany eto Madagasikara, raha ny zava-misy. Nandritra ny fivorian’ny COI tetsy Ivato, naverin’ny praiminisitra maorisianina Navinchandra Ram­goo­lam, tamin’ny filohan’ny Re­poblikan’i Madagasikara, Rajoelina Andry, ireo volamena milanja 25,5 kg tratra tatsy Maorisy. Nisy nanondrana an­tsokosoko tany amin’ity Nosy ity ireo volamena ireo ary izao naverina eto an-tanindrazana izao. Andrasana ny tohin’ity raharaha ity.

Mino

Partager sur: