Hiavaka amin’ny rehetra! Anisan’ny hanamarika ny « Fetin’ny reny » ny Sehatra Bagasy, amin’ity volana mey ity. « Zara sehatra Fetin’ny reny », hotanterahina ny sabotsy 10 mey izao, manomboka amin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny efitrano malalaky ny Aro Antsahavola. Hira maro hifandraika amin’ny sehatra na tontolo iriariavan’ny reny no hokaloina eny an-toerana, amin’io fotoana io. Tsy ho tarika iray no hanatanteraka izany fa fifarimbonana feo maro. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ireto: Inona no mampahory an’i Neny (J.Rajoro), Dia veloma Ikaky sy Ineny (Naka R), Fitiavan’i Neny (Klarystel), Hotahiana anie i Neny (Naly R), Ry Neny ô (Victor Solo), Idada sy Ineny rehefa miteny (Manantsoa), Hira ho anao ry Neny (Ludger), Raha mbola bada lela (Ludger), Ineny masoandro lalaina (R Raelison), Nitsiky ianao (Railovy), Ny itiavako anao re ry Mama (Henri R), Hafa ihany i Mama (Bessa).
Ankoatra ny maha kanto ny hira, anisan’ny fampitan-kafatra sy fitaizana ary fanabeazana izy io ho an’ny Malagasy. Ireo rahateo no anisan’ny antom-pisian’ny « Zara sehatra Fetin’ny reny ». Ahafahana maneho fa sarobidy ny reny sy ilay fitiavana lehibe ao aminy. Hanasongadinana fa toetra miavaka sy voajanahary ao anatin’ny reny ny fitiavan-janaka. Hainy ny nampandefitra zavatra maro manoloana ny fitiavana ny ankohonany, sns.
HaRy
Razafindrakoto