Taorian’ny fiatoana nandritra ny 5 taona noho ny aretina Covid 19, hiverina indray ny «Jeux corporatifs». Fihaonana ho an’ireo mpiasa amina orinasa, karakarain-dRandrianjafitseheno Clément (Clément Rabary), mpanao gazety zokiolona. Andiany faha-28, hotanterahina ny 14 sy 15 jona ho avy izao, eny amin’ny Kianja Vontovorona. Hiavaka ity andiany ity, araka ny nambarany satria farany ka homem-boninahitra ireo nahavitabe teo amin’ny sehatry ny fanatanjahantena. Anisan’izany ireo filoha mpitantana ny federasionina teo aloha, toa an’Itompokolahy Benony Jacques, ho an’ny baolina kitra, sy Randriamarohaja Dolys, teo amin’ny tsipy kanetibe, ary Rabetsaroana Flavien, filohan’ny klioba BC Tropicar taranja basikety sy ireo maro tsy voatanisa.
Taranja dimy no hifaninanana, natokana ho an’ireo mpiasa amin’ny orinasa irery ihany, izay tsy manana kara-pilalaovana federaly. Eo ny baolina kitra lalaovin’olona 7, ny basikety sy ny volley-ball iarahan’ny lahy sy ny vavy, ny “belote” ary ny tsipy kanetibe lalaovin’olon-telo miaraka, lehilahy sy olon-droa vehivavy. Eny amin’ny Cnaps Ampefiloha ny fisoratana anarana, izay hifarana ny 12 jona 2025.
Tompondaka