SOMBIM-BAOVAO

Nivoaka omaly, teny amin’ny ANS Ampefiloha, ny andiany Hiratra, nanaraka ny fiofanana ho an’ny mpitsara taranja basikety. Mpiofana 39 mianadahy no nahazo ny mari-pankasitrahana nandritra ity fiofanana nokarakarain’ny ligin’Analamanga taranja basikety ity.

Hatao eny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina, ny 17 mey izao, ny fifaninanana “Lemur Cup”, taranja Jiu-jitsu brezilianina. Ho avy eto Madagasikara ny mpikatroka avy any Canada, hifaninana amin’ny Malagasy mpikatroka sy hifampizara traikefa.

Mandeha ny siosion-dresaka fa mety ny ekipa nasionalin’i Congo Brazzaville no hifanandrina amin’ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, ny volana jona ho avy io. Hatreto, tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy mahakasika izany. Efa nivoaka ofisialy kosa ilay hoe RDC, hifandona amin’ny Barea, ny 8 jona ho avy io.

Hofantatra anio ny anaran’ireo klioba roa tafita amin’ny famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra « Ligue des Champions 2025 ». Hiady ny tapakila farany, anio, ny ekipan’ny Paris Saint Germain (PSG), frantsay, sy ny Arsenal FC, anglisy. Tsiahivina fa efa nandresy 1 no ho 0 ny PSG tamin’ny fifanandrinana mandroso.

Partager sur: