Nifanenjehin’ny olona saingy tsy tratra ireo jiolahy roa tompon’antoka tamin’ny fanendahana sady mpisintona finday anaty taxi-be, omaly, teny Anosibe. Mitsofoka anaty elanelan-trano ry zalahy ary efa misy olona manafina azy, araka ny filazan’ireo mahafantatra azy ireo. Tsy sahy mitoroka ny olona noho ny tahotra ka vao mainka manao ny ataony ireo olon-dratsy.
Mpangalatra moto voasambotra tao amin’ny fokontany Lazaina, kaominina Anosiavaratra, distrikan’Avaradrano, ny alin’ny 4 mey teo. Nanararaotra orana io olon-dratsy io ka nanosika moramora ny moto. Niantso manam-pahefana avy hatrany ny tompon’ny entana. Tratra tsy lavitra ny toerana voalaza io olon-dratsy io.
Dahalo iray lavon’ny balan’ny zandary tany Ankadinondry, afakomaly. Lehilahy telo hafahafa fihetsika, nilanja gony sy sakaosy. Nasain’ny zandary nijanona izy ireo nefa nandray basy ary nitifitra ireo mpitandro filaminana. Niaro tena ary voatery nitifitra ny zandary. Vokany, maty voatifitra ny iray tamin’ireo olon-dratsy raha vaky nandositra ny ambiny. Taraiky teo ny entana halatra: vilany cocotte roa sy écran ana ordinatera ary kojakojany miisa roa.
Moto sy fiara Mazda nifandona tetsy Manakambahiny, omaly maraina. Naratra mafy ilay mpitondra moto. Niforitra tafasitrika tao ambanin’ilay fiara ny moto nentiny. Tsy nisy aina nafoy.