Nahoraka tao anaty tambajotran-tserasera indray ny resaka baolina kitra, omaly. Araka ny vaovao niparitaka, niala an-daharana tsy hiatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, “Yas Coupe de Madagascar 2025”, ny Fosa Juniors Boeny. Araka ny fanadihadiana natao, nilaza ny loharanom-baovao iray eo anivon’ity klioba atsy Boeny ity fa tsy afaka hanatrika io fifanintsanana io ry zareo noho ny halaviran-dalana, ka hamizana ny mpilalao.
“Sarotra ho anay ny handeha ho any Toliara, nefa izahay avy aty Mahajanga. Aorian’io nefa, hiatrika ny fifaninanana nasionaly World Cola PFL, any Antananarivo”, hoy ity mpampita vaovao ao amin’ny Fosa Juniors ity.
Nomarihin’izy ireo hatrany fa tsy resa-bola no nandraisana izao fepetra izao, fa resaka toerana izay hita fa mifanalavitra loatra ho an’ireto mpilalao avy any Boeny ireto. Tsiahivina fa ny FC Wagner Androy, tokony hifandona amin’ny Fosa, mandritra ity 1/16 ndalan’ny “Yas Coupe de Madagascar” ity. Ny Fosa zandriny ihany izany no miatrika ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara. Marihina fa tanterahina aty Antananarivo ny fihaonan’izy ireo sy ny Toulon FA, ny alahady 11 mey ho avy izao.
Taorian’ity fanapahan-kevitra noraisin’ny Fosa Jr Boeny ity, ahina ihany koa ny mety hisian’ny klioba hafa ao amin’ny PFL, hanala-tena tsy hanao “Yas Coupe de Madagascar”.
F.R