TSELATRA

Notanana vonjimaika am-ponja, afakomaly, ilay ramatoa nahatrarana rongony 75 gony, nilanja 1252 kg, tao amin’ny kaominina Analamary, distrikan’i Betroka. Vadin’ny sefon’ireo ekipa nitatitra ny entana io ramatoa io.
Lavon’ny zandary i Grégoire, ilay dahalo raindahiny amin’ny vaky trano sy fandrobana tao amin’ny kaominina Ankadinondry, ny 5 mey teo, tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Nifanehatra tamin’ny mpitandro filaminana nanao fisafoana alina ireo mpandroba. Nifanenjehana ka maty voatifitra ny iray.

Partager sur: