Baolina kitra – « Ligue des champions d’Europe » : Hiatrika ny famaranana ny PSG sy ny Inter de Milan

Fihaonana tsy mbola nisy ny famaranana hiadiana ny ho tompondakan’i Eoropa, taranja baolina kitra (Ligue des champions). Hihaona ny PSG, France, sy ny Inter de Milan, Italie. Voalohany no hihaona amin’ny lalao ofisialy ny roa tonta. Fihaonana firahalahiana, nikatrohan’izy ireo farany ny taona 2023, tany Japon. Niondrika tamin’ny isa 2 no ho 1 ny parizianina, tamin’izany.
Dimy taona aty aoriana, hiatrika ny famaranana ho an’ity “Ligue des champions” ity indray ny PSG, rehefa nandresy fanindroany ny Arsenal, ny alarobia lasa teo, tao amin’ny Parc des Princes. Baolina matin’i Ruiz, teo amin’ny minitra faha-27 sy ny an’i Hakimi, minitra faha-72. Efa tany amin’ny minitra faha-76 vao nampihena ny isa ho 2 no ho 1 i Saka. Anisan’ny nisongadina, nanavotra ny PSG, nandritra io lalao miverina io, i Donna­rumma.
Tsiahivina fa indray mandeha resy ihany ny Paris St Germain nandritra ny fifanin­tsanana, hatreo amin’ny ma­nasa-dalana, tamin’ity fia­diana ny ho tompondakan’i Eoropa ity. Hotanterahina, ao amin’ny kianja Allianz Arena ao Allemagne, ny famaranana eo amin’ny roa tonta, ny sabotsy 31 mey ho avy izao. Kianja fantatry ny parizianina tsara ary heverin’izy ireo fa eo no hangalany ny amboaran’ny “Ligue des champions” voalohany eo amin’ny tantarany.

Tompondaka

Partager sur: