Kitra sokajy vehivavy – Mada 2024 : Hafana ny fifanandrinana eo amin’ny Askam sy ny AC Sabnam

Hitohy indray ny fifaninanana nasionaly ho an’ny baolina kitra, sokajy vehivavy. Lalao telo no handeha anio, any Fianarantsoa. Tsiahivina, mbola ao anaty taom-pilalaovana 2024 ity fifanintsanana ity.

Hotontosaina manom­boka anio hatramin’ny 18 mey ho avy izao, any Fianarantsoa, ny dingana famaranan’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, sokajy vehivavy, U17 sy « seniors ». Anisan’ny fihaonana tena andrasan’ny maro amin’izany, ny fifandonan’ny Askam Afa Itasy sy ny AC Sabnam Vaki­nankaratra.
Tsiahivina fa mbola manala vela amin’ireto mpilalaon’ny Sabnam ireto, ny Askam, avy atsy Itasy. Teo amin’ny din­gana faharoan’ity fifaninanam-pirenena ity, resin-dry zareo avy atsy Vakinankaratra, tamin’ny isa 1 no ho 0, ny Askam Afa, tamin’izany.
Klioba iray efa manana traikefa amin’ity resaka fifaninanana nasionaly ity, ny AC Sabnam, raha toa ka sambany vao hiatrika ny dingana ambony toy izao ry zareo Askam Afa.
Tsara ny mampahatsiahy fa mbola mandray anjara amin’ity lalao ity ny tompondaka farany, Disciples FC Vaki­nankaratra. Miandrandra fatratra ny hanao pao-droa amin’ity izy ireo. Ny alatsinainy lasa teo no nanao lalao fitsapana tamin’ny Askam Afa, tetsy Iavoloha, ny Disciples FC. Nisaraka ady sahala 1 no ho 1, ny roa tonta nandritra izany.
Araka ny fikarohana natao, ny ekipan’ny Samba DS Diana, hifampitana amin’izy ireo, anio. Marihina fa mbola ao anatin’ny taom-pilalaovana 2024 ity fifanintsanana ity, ary mbola tsy nanome fanazavana mahakasika ny famindrana ity fifaninanana ity any Fia­narantsoa ny mpitantana. Raha tany am-piandohana, tokony ho natao teto An­tananarivo ny dingana famaranana.

F.R

Ireo fandaharan-dalao anio :
9 ora : Disciples FC vs Samba DS
11 ora : AC Sabnam vs Askam Afa
1 ora : AS Myeco vs Ascuf

Partager sur: