Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny andiany faharoa tamin’ny delegasiona malagasy niatrika ny “Open Africa” natao tany Maorisy, teo amin’ny taranja Jiu-jitsu Brezilianina. Tsiahivina fa nitondra avo ny voninahi-pirenena ireto solontena malagasy ireto, nahazo medaly volamena 20 be izao.
Hanatanteraka fitiliana hitsinjovana ny Barea aty aoriana ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), ny 31 mey ho avy izao, any Frantsa. Araka ny fanambarana navoakan’izy ireo, natokana ho an’ny zandrikely U20 ihany ity fitiliana ity. Ny mahagaga, any ivelany any ny FMF no manao fitiliana nefa maro ireo taninketsa eto Madagasikara, tokony hojerena.
Nahatafiditra baolina roa sahady, ho an’ny kliobany vaovao, AS Marsouins, i Jean Yves, Malagasy lohalaharana, afakomaly, tatsy La Réunion. Nandresy tamin’ny isa 3 no ho 1, an’ny CS St Gilles moa ry zareo ary tazana tao ihany koa i Nina, Malagasy mpiandry harato milalao amin’ity klioba misy an’i Jean Yves ity.
Hotanterahina, anio, ny fivoriana ara-teknika ho an’ny fiadiana ny tompondaka nasionaly N1A, taranja basikety, dingana voalohany, ho an’ny vondrona A, izay hatao any Mahajanga. Tsiahivina fa ekipa 6 lahy sy 6 vavy no hifanandrina amin’ity fifaninanana ity izay hiady ny amboaran’ny ligin’i Boeny.