Tovovavy iray 16 taona voalaza fa mpamosavy no tratran’ny miaramila tany Andilamena, omaly. Niboridana tanteraka izy io nandritra ny fifanenjehana teo amin’ny roa tonta. Anisan’ny ampijalian’ny mpamosavy isaky ny alina ireo miaramila any an-toerana ka izao tsy namela nahazo izao. Efa nalefa any amin’ny lehiben’ny fokontany ity farany taorian’izay ka nandraisana andraikitra.
Lehilahy roa nangalatra moto naiditra am-ponja vonjimaika any amin’ny fonjan’Antsirabe, afakomaly. Rehefa avy nampiakarina fampanoavana teo anivon’ny fitsarana. Nanafina moto tao amin’ny tranon-kisoa iray tany Atsimontsena Antsirabe ireto roa lahy ireto, ny sabotsy lasa teo. Nanao fisavana avy hatrany ny polisy taorian’ny fitorohana nataon’ny olon-tsotra ka tratra tao ilay moto.