Barea de Madagascar: Mety ho avy i Coquelin sy i Pelmard

Araka ny siosion-dresaka mandeha amin’izao fotoana izao, manaiky ny hanatevina ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar, ireo mpilalao avy amin’ny klioba goavana any Eoropa. Mandeha ihany koa ny resaka fa mety ho avy amin’io lalao hifanandrinana amin’ny RDC Congo, izay hotanterahina ny volana jona, any Frantsa io, i Andy Pelmard, vodilaharan’ny Las Palmas Espagne, sy i Francis Coquelin, mpilalao afovoan’ny FC Nantes.
Hatreto, tsy mbola misy ny fanambarana ofisialy mahakasika izany, ny fotoana hamoahana ny lisitry ny Barea koa tsy mbola fantatra. Tsiahivina fa natao hanomanana ny fifanintsanana “Mondial 2026” ity lalao ara-pirahalahiana ity. Raha ny fikarohana natao, omaly, efa nivoaka ny lisitry ny mpilalao hanatevina ny Leopards RDC. Tazana ao ny anaran’i Aaron Wan Bissaka, vodilaharan’ny West Ham, klioba mifanintsana amin’ny “Premier League” any Angleterre.
Ankoatra izay, tsy mbola fantatra ilay firenena faharoa hifandona amin’ny Barea, mbola miandry ny valin-tenin’i Congo Brazzaville ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF). Zava-dehibe tokoa ny miatrika lalao ara-pirahalahiana amin’ity “Fenêtre Fifa” ity, aorian’io, hivoaka ny filaharana vaovaon’ny Barea.

F.R

Partager sur: