Tontosa, omaly, teny amin’ny foiben’ny Kaomity olympika malagasy Ivandry, ny famoahana ny mpiofana 11 mianadahy nanaraka ny fiofanana Cams, « Cours avancés en management sportives ».
Andiany faha-7, izay misalotra ny anarana Fototra ireto nahavita ny fiofanana ka nivoaka omaly ireto. Nambaran’ny talen’ny fampiofanana, Ratoaviniriana Ramaroson, fa naharitra 7 volana ny fiofanana ary nisy ny lohahevitra 6 nofakafakain’ny mpianatra tsirairay. Nisy ihany koa ny fanohanan-kevitra mifanandrify amin’ny taranjam-panatanjahantena tsirairay misy ireo mpiofana. Mari-pahaizana fa tsy mari-pankasitrahana no nozaraina, izany hoe, nisy ny fikirizana nataon’ireo mpiofana tao anatin’izay 7 volana izay. Nanamafy ity Talen’ny fampiofanana ity fa « tsy vitan’ny aingam-panahy ny fanatanjahantena fa misy lamina iraisam-pirenena momba ny fitantanana izany ka mila manaraka izany ny mpitantana fanatanjahantena eto Madagasikara. Tombony ho an’ireo nahavita ny fiofanana dirigeants sportifs sy ny Cams ihany koa ny fahafahan’izy ireo miasa amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena na eto na any ivelany”. Nanomboka tamin’ny taona 2017 ny Cams ary misy isan-taona ka ny federasionina no manolotra olona hanaraka ny fiofanana, mba hanatsarana ny fitantanana fanatanjahantena. Nomarihin’ity mpampiofana ity
fa tsara raha mba olona manana fahalalana amin’ny fanatanjahantena no mitantana. Nanamafy izany koa ny Sekretera jeneralin’ny Kom, Randriamanarivo Harinelina, sy ny ray mpiahy ny andiany Fototra, Relahy Jean Claude. Andriambavilanitra no mitana ny “Major” tamin’ity andiany faha-7 ity, izay marika fa manomboka mahazo sehatra ny vehivavy eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra ny lanonana ny eo anivon’ny MJS, tamin’ny alalan’ny Tale jeneralin’ny fanatanjahantena, izay niarahaba sy nampirisika ireo mpiofana mba hampihatra ny fahalalana noratoviny.
Mi.Raz