Velaran-tany 2 ha kilan’ny afo tao Anjoromandry Mangabe, fokontany Ambohimanga, kaomininina Ambohimanga Rova, ny alarobia 7 mey teo. Lehilahy nahavanon-doza nosamborin’ny fokontany sy ny zandary. Notanana vonjimaika any am-ponja.
Maty voatifitry ny zandary ny dahalo raindahiny iray tao amin’ny kaominina Maritampona, afakomaly. Nikasa hangalatra omby niaraka tamin’ny namany izy kinanjo nandrasan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana kendry tohina. Nifamaly tifitra tamin’ny dahalo ny mpanara-dia sy ny zandary. Lavo nandritra izany io lehilahy io.
Lehilahy hita faty voatsindrona zava-maranitra inefatra teo amin’ny tendany, tao Betela, kaominin’ Ambatomarina, distrikan’Ambositra, ny talata 6 mey teo. Notrobaran’ireo tsy mataho-tody koa ny lohany, ny kibony ary ny saokany.
Zaza dimy taona naolan’ny raim-pianakaviana tao Andakorobe-Andranoalanana, fokontany Ambodisatrana II, kaominina Sambava. Niakatra fitsarana omaly, tao Antalaha, ny raharaha.