Afrobasket 2025 : Miray vondrona “B” i Madagasikara sy i Tunisie

Tafalatsaka anaty sokajy misy firenena telo sangany eto Afrika i Madagasikara. Anisan’ireo manana traikefa avo amin’izany i Tunisie sy i Nigeria.

Notontosaina ny zoma teo, tany Luanda Ango­la, ny antsapaka hahafantarana izay ho mpiray vondrona mandritra ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, “Afrobasket 2025”. Fifanina­nana hotanterahina any An­gola, ny 12 hatramin’ny 24 aogositra ho avy izao. Ao amin’ny vondrona « B », misy an’i Madagasikara.
Hifandimby hifanintsana amin’izy ireo ao i Tunisie sy i Nigeria ary i Cameroun. Araka ny fikarohana natao, efa nandrombaka ny anaram-boninahitr’i Afrika, intelo ry zareo ekipa nasionaly tonizianina, Aigles de Carthage. Nahazo ny tompondakan’i Afrika voalohany ry zareo, ny taona 2011, fifanintsanana izay natao teto Madagasikara. Nampiany fa-nindroany izany, ny taona 2017, tany amin-dry zareo ary ny 2021, ny medaly volamena fahatelo, lalao natao tany Rwanda.
Efa nandrombaka ny me­daly volamena ny Afrobasket, tany Tunisie, ny taona 2015, kosa i Nigeria. Efa nifanintsana tamin’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany, ny taona 1998, 2006, 2019, ny ekipam-pirenena nizerianina, D-Tigers. Nahazo medaly alimo ny Afrobasket, ny taona 1995, 2011, 2005. Ary nihazona ny laharana faharoa, tamin’ity fifaninanana afrikanina ity, ny taona 1997, 1999, 2003, 2017.
Ny taona 2015 teo, nifanintsana farany tamin’ny Afrobasket, ny Lions Indomptables Cameroun. Tamin’ny 2007, tany Angola, nahazo ny medaly volafotsy, ny mpilalao kameroney.
Telo volana sisa
Firenena efa manana traikefa avokoa ireto mpiray sokajy amin’ny Ankoay ireto. Marihina fa tsy mbola nahazo medaly tamin’ny Afrobasket, mihitsy ny ekipam-pirenena malagasy lehilahy. Manana telo volana eo sisa ny Federasionina malagasin’ny Basikety (FMBB), hafahana manomana ireo Malagasy mpilalao.

Fitia Randria

Partager sur: