Amin’ny zavatra rehetra atao, ilaina hatrany ny mihaino ny fomba fahitan’ny olona azy. Na fanakianana io, na fanatsarana, tena manan-danja ny mandray izany. Raisina am-pitiavana fa tsy an-katezerana akory. Fanitsiana ny lalan-kizorana izany. Raha dokadoka hatrany no ankafizina amin’izay atao, mahamahiana fa tsy ho ela dia hivarina an-kady. Na eo aza izany, misy hatrany ireo tsy mahita afa-tsy zava-dratsy. Ny tsy mety foana no hany tazany ary tsy mahatsinjo afa-tsy izay mitongilana. Aza tia tsingolongoloka toa ganagana ê !
Eo amin’ny fifaninanana ao anatin’ny tontolon’ny fanatanjahantena ihany koa dia misy hatrany ny manao toy ny maso bala, mifanaraka ihany fa mifara-dratsy. Toa tsy mahatazana raha tsy ny bingo, tsy mahatsinjo raha tsy mivilana. Mihina-maina tahaka ny tsofaben’Andohatalo, tsy mitsapa ny farany. Aza tia tsingolongoloka toa ganagana.
Indraindray toa efa zary mahazatra ny fanaratsiana,
ataon’izy ireny ka tsy mampiraika intsony. Raha ny tsingolongoloka mantsy no naha tafita, ny ganagana no efa nanan-karena. Tsy ny ezaka sy ny fikirizan’ny mpitantana na ilay atleta no jeren’izy ireo fa ny indrokely hoy ny mpandrafitra hatrany. Toy ny vehivavy tsara bika tsy misy fanahy, izy ireo. Tsara tazanina fa tsy azo ho namana ka aza tia tsingolongoloka toa ganagana.
Tsy mampihemotra anefa izany satria ny manam-pinoana tsy maintsy mandresy ary ny mpandresy tsy voasakan’ny halako bika tsy tiako tarehy. Vatana fotsiny fa tsy ary saina, ary saina fa tsy ary fanahy. Manao zavatra mihoatra ny marina ka ho voa. Ho setroky ny kitay nalainy, ary ho main’ny afo natsangany satria tia tsingolongoloka toa ganagana nefa sady tsy tafita no tsy manan-karena.
Tompondaka