Tontosa ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja Barea Mahamasina, ny fifaninanana ho an’ny orinasa fanaovan-gazety “Inter Media 2025”. Fihaonana nokarakarain’ny holafitry ny mpanao gazety sy ny fikambanan’ny mpampahalala vaovao ara-panatanjahantena (UJSM). Norombahin’ny ekipan’ny Newsmada 1, nahitana an’i Andotsiresy sy i Jean Rina, ny amboara iray lehibe sy ny medaly volamena, teo amin’ny taranja tsipy kanetibe. Raha fintinina ny lalao, resin-dry Ando sy Rina teo amin’ny famaranana, tamin’ny isa mazava, 13 no ho 6 ny ORTM 1. Efa nitarika tamin’ny isa 6 no ho 0 ny fahitalavi-panjakana vao nanenjika i Ando sy i Rina. Vetivety dia nosahalain-dry zalahy, 6 no ho 6 ny isa. Nanomboka, teo tsy nijanona intsony ny isa raha tsy tonga hatrany amin’ny farany. Nirarakompana ny tifitra nataon’i Ando, izay tsy nifidy halavirana. Tao anatin’ny horakora-pifaliana no nandraisan’ireo mpiara-miasa ny fandresena izay nanohana ny ekipa hatramin’ny farany. Nihintsana teo amin’ny ampahefa-dalana kosa ny Newsmada 2 nisy an’i Manitra sy i Rado. Nosakanan’i Vakinankaratra ny lalan’izy mirahalahy..
Tompondaka