Rosa Club de l’Imerina: 65 taona nanabeazana mpilalao sy mpanazatra sangany

Mananika ny faha-65 taonany ankehitriny ny Rosa Club de l’Imerina, taranja rugby. Fileovana tsy miala an-daharana fa mijoro hatrany ary miatrika foana ireo fifaninanana isan-tsokajiny. Nandia vanim-potoana sarotra saingy nahavita dingana goavana izy ireo. Satria, namoaka mpanazatra sy mpilalao sangany maro mandrafitra ny ekipam-pirenena.

Anisan’ny fileovana rugby eny amin’ny kartie, ny Rosa Club de l’Imerina. Klioba manana ny tantarany ary tsy mena mitaha amin’ireo ekipa goavana eto an-dRenivohitra raha ny lalana nizorany, tao anatin’izany baolina lavalava izany. Ankehi­triny, feno 65 taona ity ekipa eo Antohomadinika IIIG Hangar ity. Namakivaky fotoana samihafa, saingy mbola mijoro hatrany fa tsy mikoro akory. Raha somary tsy henoheno ny anarany tato ho ato, mametraka ainga vao indray ireo raiamandreny, zokiolona sy ny mpilalao ary ireo taniketsa fa hamerina ny lazany toy ny fahiny indray.
Nantsoina avokoa ireo zanaky ny Rosa Club de l’Imerina mielipatrana na ireo eto an-toerana na ireo any ivelany hamelo-maso indray ny ekipa. Anisan’ny namaly ny antso voalohany ny orinasa Imex MCEMBT, tantanan’i Lock Maxime sy Rabetsivoh Claudia izay ankizy lehibe teo amin’ny toerana nisy ny Rosa Club de l’Imerina ary zafikelin’ny filoha mpanorina ny ekipa sady mpilalao tamin’izany, Rakoto Rajaonarivelo Bernard (Ra-Lieutnant).
«Tsy azo atao ny mitsipa-doha ny laka-nitana satria tato amin’ny Rosa no naha toy izao ahy ka mitondra ny anjara biriky amin’ny fampandrosoana sy fanatsarana ary hamerenana ny lazany indray ny tenako», hoy i Claudia.

Klioba namoaka olo-manga maro

Fantatra tamin’ny fitaizana tanora ihany koa ny Rosa Club de l’Imerina. Manana sekolin’ny rugby, izay manabe kilonga lahy sy vavy manomboka amin’ny 6 ka hatramin’ny 18 taona, miisa 150. Mampi­voatra azy ireo amin’ny fiainana sady manabe amin’ny rugby no tanjona. Marihina fa anisan’ny fileovana manana ireo sokajin-taona rehetra amin’ny fifaninanana federaly ny Rosa Club de l’Imerina.
Efa namoaka mpilalao sangany maro nandrafitra ny ekipam-pirenena malagasy na teo amin’ny lehilahy na ho an’ny vehivavy. Maro ireo klioba sy boaty goavana amin’
izao fotoana izao no hahitana mpilalaon’ny Rosa Club de l’Imerina. Tao amin’ity eki­pan’Antohomadinika IIIG Hangar ity ihany koa no nivoahan’ireo mpanazatra ny ekipam-pirenena amin’izao fo­toana izao. Anisan’izany, Randrianarison Eric (Sefo), mpanazatra ny Makis Ladies, tamin’ny lalaon’ny Nosy (JIOI 2023).
«Ohatry ny afo ny Rosa, tsy maty akory fa mila kopahina mba hiredareda indray. Tsy hiverenana intsony ny 65 taona lasa fa natao hakana lesona hanatsarana ny tsy mety, hanarenana ny mitongilana mba hihoarana ny zava-bita teo aloha ary hahatrarana ny tanjona dia ny ho anaty Top 12. Matoa manohana dia misy tanjona», hoy i Claudia, raha nilaza ny fahitany ity klioba ity.

Ampitaina amin’ireo zandry ny fanilo

Nambaran’ny mpanohana ny klioba amin’izao fotoana izao fa lesoka ny tsy fisian’ny fanilo miampita tamin’ireo mpilalao teo aloha, izay efa lehibe avokoa tamin’ireo mpandimby aty afara. Ma­noloana izany, nitsangana ny fikambanan’ny mpilalao tranainy hampita ireo traikefany sy hanampy ireo mpitantana ankehitriny.
Natomboka tamin’ny fa­nompoam-pivavahana ny sa­botsy lasa teo, tetsy amin’ny eglizy katolika Antohama­dinika, ny fanokafana ny faha-65 taona ny Rosa Club de l’Imerina. Nisy avy eo ny nofon-kena mitam-pihavanana sy fizarana mari-pankasitrahana ho an’ireo nahavita be tao amin’ny ekipa. Haharitra hatramin’ny volana novambra ny fankalazana ity tsingerin-taona ity.

Nanatontosa : Tompondaka

Partager sur: