Vehivavy iray namoy ny ainy omaly, niharan’ny lozam-pifamoivoizana, teny Bemasoandro Itaosy. Tra-doza tampoka nodomin’ny fiara, ny alin’ny sabotsy 10 mey teo izy. Mitaky ny hampiharana ny lalàna ho an’ny nahavanon-doza ny fianakavian’ny maty. Nitsoaka ilay mpamilin’ilay fiara nandona saingy voasambotra ary nentina teny amin’ny zandarimaria.
Angidimby nentina vazaha iray no tafapetraka tamin’ny toerana iray tsy azo antoka tany Tsinjoarivo Ambatolampy, lalam-pirenena faha-7, afakomaly maraina. Olana ara-teknika sy tao amin’ny moteran’ilay fiaramanidina no nahatonga izany. Vazaha iray no tao anatiny sy nitondra azy. Tsy misy ahina ny ainy sy ny fahasalamany. Efa tonga nijery sy nanamboatra ity farany ireo teknisianina nafarana.