Ny zoma alina lasa teo no tonga teto Madagasikara i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea de Madagascar. Tsy niandry ela fa ny ampitson’io ihany, tonga nijery ny fifaninanana teto an-toerana ny tenany ka anisan’izany ny dingana ampaha-16ndalana hiadiana ny “Yas amboaran’i Madagasikara”. Tsy izy irery no nanatrika izany fa niaraka tamin’ ireo ekipa teknikany. Tsy mbola namoaka fanambarana na namaly ny mpanao gazety ny tenany tamin’izany.
Mbola mifamahofaho be ihany ny amin’ny fiantsoana ireo mpilalao handrafitra ny Barea de Madagascar satria araka ny vaovao voaray, hisy fitsapana ny fahaizan’ireto mpilalao avy eto an-toerana ireto, amin’ny faha-24 n’ity volana ity, amin’izay mety handrafitra ny Barea “Chan”. Tsy fantatra izany raha toa ka mety hisy mpilalao ho antsoin’i Corentin Martins, ho tsapaina ihany koa amin’ilay fihaonana firahalahiana hikatrohan’ny Barea “A” amin’ny RD Congo, ny 8 jona ho avy izao, any France.
Ny Barea Chan kosa hanoman-tena sy hanao lalao fitsapana atsy Afrika Atsimo, ao anatin’ny datin’ny Fifa. Ireto ekipam-pirenena ireto izay hiatrika ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, ho an’ireo mpilalao tsy misy mpila ravinahitra, hotanterahina any Kenya sy Tanzanie ary Kenya, ny 2 ka hatramin’ny 30 aogositra ho avy izao.
Tompondaka