SOMBIM-BAOVAO

Hiditra amin’ny andro fahefatra, anio, ny fia­diana ny tompondaka nasionaly, dingana voalohany N1A, taranja basikety, ho an’ny vondrona A, tanterahina any Mahajanga. Raha hiverenana ny vokatra, laharana voalohany vonjimaika ny GNBC Analamanga, eo amin’ ny sokajy lehilahy.

Nanainga omaly ny delegasiona malagasy, taranja Beach-volley. Hihazo ny Nosy La Réunion ny ekipa, lahy sy vavy, hiatrika ny fiadiana ny amboaran’ny Klioba tompondaka aty amin’ny faritra faha-7 ho an’ny taranja Beach-volley (CAVB Zone 7 Tour 3).

Voafidy ho mpanazatra mendrika indrindra ta­min’ny fifaninanana frantsay, ilay teknisianina espaniola mitondra ny Paris Saint Germain (PSG), Luis Enriqué. Ilay lohalaharana frantsay ao amin’ny PSG kosa no mpilalao mendrika indrindra. Tsiahivina fa hiatrika ny famaranan’ny Ligue des Champions 2025, ny PSG, ny 31 mey ho avy izao.

Mora ho an’ny ekipan’ny FC Barcelone ny maka ny anaram-boninahitr’i Espagne, na La Liga. Lavon’izy ireo tao Camp Nou, tamin’ny isa 4 no ho 3, ny klioban’ny Real Madrid, afakomaly. Mbola manana lalao telo ambiny avy moa ny roa tonta saingy efa mana­tombo amin’ny isa ny FC Barcelone.

Partager sur: