TSELATRA

Takalonaina telo mianaka votsotra teny am-pelatanan’ny mpaka an-keriny tao amin’ny kaominina Ambohibary Vohilena, distrikan’Anjozorobe, ny 9 mey teo. Nalain’ny olon-dratsy ny alin’ny 16 avrily lasa teo ireo olona ireo. Nokasaina hangalana vola ny fianakavian’ny lasibatra saingy tsy nahomby ny teti-dratsy.
Mpitandro filaminana telo namoy ny ainy nandritra ny fifampitifirana tamin’ny dahalo tao amin’ny fokontany Ambararata, kaominina Bekily, ny alin’ny alahady hifoha ny alatsinainy 13 mey teo. Manara-dia ireo mpangalatra omby ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana hatramin’ny omaly.
Mpamily namoy ny ainy latsaka tao anaty lavapiringa tao amin’ny fokontany Avaratanàna Andranorai­kitra, distrikan’i Fandriana, afakomaly atoandro. Na­janony teo amoron-dalana ny fiara nentiny ka nindrana toeram-pivoahana tamin’ny olona tsy lavitra izy. Ni­hotsa­ka tampoka ilay lavapiringa ka niteraka izao loza izao.
Nidoboka vonjimaika eny Tsiafahy, ny faran’ny herinandro teo, ilay raikely nanolana ny zana-badiny vao 6 taona tao Bemasoandro, fokontany Ambohibao, kao­minina Bongatsara, distrikan’ Antananarivo Atsimon­­drano.

Partager sur: