Tselatra

Nidina ifotony sy nanara-maso hanatsarana ny fomba fiasan’ny ekipa misehatra eny an-kianja ny tomponandraikitry ny polisy, ny harivan’ny alatsinainy 12 mey teo. Nitarika izany ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny controleur général de Police Rakotozanany Dany Marius.
Namoy ny ainy voatomboky ny zandriny angady ny lehilahy iray tao Manarinony, kaominin’­ Ambalamana­kana, distrikan’Ambositra, ny sabotsy 10 mey teo. Niara-nisotrosotro izy mirahalahy ka nifamaly. Niafara tamin’ny famoizana aina anefa izany. Voasambotra ny nahavanon-doza.
Fitaovam-piadiana roa niampy bala saron’ny zandary tao Ambanja, ny alahady 11 mey teo. Nokasaina hampakarina aty an-dRenivohitra ireo basim-borona ireo sy ny bala ampolony nampiarahana taminy.
Ody ratsy miisa sivy afak’ilay ankizilahy 12 taona voalaza fa manana hery miafina tao amin’ny CEG Manakambahiny Andrefana, distrikan’Ambatondrazaka, ny alatsinainy 12 mey teo. Ankizivavy fito mpianatra tao amin’ny sekoly nihetsika ambalavelona ka antony nampiasan’io ankizilahy io ny fahitany manokana nanalana ireo ody ratsy ireo.

Partager sur: