1/8- « Yas Coupe de Madagascar »: hifanandrina amin’ny As A. Ste Anne ny Mama FC

Notontosaina omaly, tetsy amin’ny orinasa Yas Andra­haro, ny antsapaka nahafantarana izay ho mpifanandrina amin’ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboa­ran’i Madagasikara, taranja baolina kitra « Yas Coupe de Madagascar ». Araka ny tazana, omaly, hifandona amin’io ny klioba samy mifanintsana
amin’ny « World Cola PFL », ny Mama FC sy ny AS Avenir Ste Anne. Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta farany, nisaraka ady sahala 1 no ho 1, izy ireo. Ankoatra izay, mive­rina mifanandrina amin’ny Requin Bleu indray ny FC Rouge PFL. Nilaza ny filohan’ ny klioba FC Rouge Vakinan­karatra, Rakotondramiara Hasina, fa efa nanomana foana izy ireo ary tanjony ny hisondrotra amin’ny ambony kokoa. Ampahatsiahivina fa teo amin’ny manasa-dalana ny ekipa avy atsy Vakinanka­ratra no nahintsan’ny klioba Elgeco Plus, tompondaka farany. Mangaraharaha tanteraka ny antsapaka natao teny an-toerana. Tamin’ity taom-pilalaovana ity, natao teo amin’ ny dingan’ny ampahavalon-dalana ny antsapakin’ny fifaninanana. Tamin’ny taona lasa, teo amin’ny ampahefa-dalana vao nanao antsapaka ny mpikarakara. Tsara ny mampahafantatra fa hotontosaina ny
7 jolay ho avy izao ny famaranan’ny « Yas Coupe de Mada­gascar”, raha ny 24 mey ny fihaonana ampahavalon-dalana.

Fitia Randria

Partager sur: