Niditra tamin’ny andro fahadimy omaly, tany Mahajanga, ny dingana voalohany amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara N1A, taranja basikety, ho an’ny vondrona A. Fihaonana anisan’ny nandrasan’ny maro ny lalao teo amin’ny GNBC Analamanga sy ny ekipa tompondaka, ny MB2All Analamanga, teo amin’ny sokajy vehivavy. Nifandanja ny lalao hatrany am-piandohana ary mbola natoky tena ry Muriel sy
ny namany. Tetsy ankilany, nanindry mafy ry Chine sy ny namany ka isa 81 no ho 71 no nandresen’ny GNBC ny MB2All. Vokatra hafa kosa, teo amin’ny sokajy lehilahy, nolavoin’ny GNBC Analamanga tamin’ny isa 82 no ho 50, ny ekipan’ny BC Somava Sava. Nampiseho ny tanjany ihany koa ny ekipan’ny zandarimariam-pirenena tamin’ity lalao iray ity ka tsy afa-bela ny mpifanandrina taminy. Ho an’ny sokajy vehivavy, ekipa nivoatra tao anatin’ny fotoana fohy ny ekipan’ny ASSM Analamanga ary manomboka mametraka ny anarany. Niavaka ny lalao nasehony nanoloana ny ekipan’ny Dunamis Analamanga, omaly, ka nahazoan’ny ASSM ny fandresena tamin’ny isa 76 no ho 64.
Mi.Raz