Fanomanan-tenan’ny Barea: avy any ivelany avokoa ny 98% amin’ireo mpilalao nantsoina

Misy mpilalao vaovao, eo ihany koa ireo tafaverina indray ao anatin’ny Barea de Madagascar. Na izany aza, saika mpilalao mpilaravinahitra avokoa ny nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea hiatrika ny lalao tsapa any Frantsa, ny volana jona ho avy izao.

24 ireo mpilalao nan­tsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea, hiatrika ny lalao firahalahiana amin’ny RD Congo, ny 8 jona ho avy izao, any Orléans France. Tafiditra ao anatin’ny datin’ny Fifa. Nisy ireo mpilalao vaovao, toa an’i Busset Robin, Sadzoute Scotty Noireau-Dauriat ary i Adinany Brayan. Teo koa ireo tafave­rina ka anisan’izany i Safidy sy i Baggio Romario. Nambaran’i Corentin Martins, nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety, tetsy Isoraka, omaly, fa nezahina nitarina ny lisitra noho ny maha lalao fitsapana azy. Nanahirana ihany satria mifanindran-dalana amin’ny Cosafa ka mpilalao mpilaravinahitra avokoa ny 98% amin’ ireo nantsoina. Tsy misy afa-tsy roa ihany ny eto an-toe­rana dia i Tony sy i Rado. Tsy nanafina ny mpanazatra fa nahafa-po azy ny vokatra azon’ny Barea, tamin’ny volana marsa. Ankoatra izay, hiezaka haneho lalao mendrika amin’ ny RDC izay efa tsara toerana amin’ny fifaninanana hiatre­hana ny “Mondial 2026”, ny Barea.

Tompondaka

Mpiandry tsatoby: 1- Laiton Sonny Patrick; 2 Gardies Teva Pierre Serge;
3- Melvin Adrien

Vodilaharana: 4-Demoleon Sebastien;
5-Razafindraibearimihanta Rajo; 6-Andria­manampisoa Elysée Tony; 7-Busset Robin Fomendraza; 8-Rabemanantsoa Rado;
9-Acapandie Mathieu; 10- Fortun Titouan Safidy; 11-Sadzoute Scotty
Irakiraka: 12-Raveloson Rayan; 13- Ilai­maharitra Marco; 14- N’zi Johan; 15-Lapous­sin Loïc; 16-Rakotonomenjanahary John Baggio; 17-Rakotoarisoa Baggio

Lohalaharana: 18- Randrianantenaina Arnaud; 19-Rakotoharimalala Njiva; 20- Ra­he­riniaina El Hadary; 21-Noireau-Dauriat;
22-Caddy Warren; 23-Abdallah Hakim ;
24-Adinany Brayan

Partager sur: