Nivoaka ny alarobia teo, tetsy Isoraka, ny lisitry ny mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena Barea de Madagascar. Omaly indray, namoaka ny pejin’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra (FMF), fa nantsoina hanatevin-daharana ny Barea ihany koa i Ehsan Kari, izay vodilaharana, milalao ao amin’ny klioban’ny RC Pays de Grasse, diviziona fahefatra any Frantsa.
Tsiahivina fa hifanandrina amin’ny ekipa nasionalin’ny RD Congo, any Frantsa, ny Barea, ny 8 jona ho avy izao, ao amin’ny Kianjan’ny Orléans. Ry zareo kongoley, efa nanafatra an’i Wan- Bissaka, vodilaharan’ny West Ham, klioba iray mifanintsana amin’ny fifaninanana goavana atsy Angleterre, “Premier League”.
Raha ara-taratasy, mifanalavitra tanteraka ny traikefan’i Madagasikara sy ny RDC. Saika ireo mpilalao mifanintsana amin’ny divizionina ambany any ivelany avokoa no nantsoin’i Corentin Martins, mpanazatra ny Barea, raha toa ka ireo efa zatra fifanintsanana goavana any Eoropa, mandrafitra ny Leopards RDC. Anisan’izany ry Mbemba, vodilaharan’ny Olympique de Marseille, diviziona voalohany (D1) any France, i Bakambu, lohalaharan’ny Real Betis, D1 any Espagne, Yoane Wissa, mpanafika ao amin’ny klioban’ny Brentford FC, D1 any Angleterre. Marihina fa io fihaonana amin’ny Leopards io ihany no hataon’ny Barea, mandritra ity “Fenêtre Fifa” ity.
Fitia Randria