Tontosaina tany La Réunion, nanomboka ny 13 mey lasa teo, ary hifarana ny 17 mey izao, ny fiadiana ny amboaran’ny ranomasimbe Indianina, amin’ny taranja Beach volley na ny “Open de l’Océan Indien”. Tsy diso anjara i Madagasikara fa nanana solontena, ekipa roa (sokajy lahy sy vavy) no nihazo an’i La Réunion, ny fiandohan’ity herinandro ity, hiaro ny voninahi-pirenena. Raha ny vokatra tamin’ny lalao efa vita, tsara fanombohana avokoa ny ekipa malagasy, lahy sy vavy, ary samy tafakatra teo amin’ny dingan’ny ampahefa-dalana. Teo amin’ny sokajy lehilahy, teo amin’io dingana ampahefa-dalana io no nifarana ny lalan’i Robsell Thierry sy Rakotondrafara Berto, nandavoan’ny ekipan’ny Allemagne azy ireo tamin’ny seta 2 no ho 0 (21-7/21-9). Ho an’ny sokajy vehivavy kosa, niatrika ny ampahefa-dalana ihany koa, Ravonintseheno Andriamihasoa sy Ramanintsy Momi, omaly alina, saingy tsy mbola voaray teo am-pelantanana ny vokatra. Omaly alina ihany koa no nanatanterahina ny lalao manasa-dalana ary anio no hanaovana ny famaranana amin’ity “Open de l’Océan Indien” taranja Beach volley hatao atsy La Réunion ity.
Tsiahivina fa ankoatra ny lalao izay hifanandrinan’ny mpilalao avy amin’ny firenena 10 (Comores, Maurice, La Réunion, Mayotte, Seychelles, Maroc, Pays Bas, Allemagne, Belgique ary i Madagasikara) anjara, tafiditra anatin’ny fandaharam-potoana ny fiofanana ho an’ireo mpilalao tonga any an-toeranaa. Fiofanana natokana ho an’ny tanora ho fampandrosoana ity taranja ity eto amin’ny ranomasimbe Indianina sy eto Afrika.
Mi.Raz