Nilaza ho miompy kalanoro: Mpisoloky nahazo 25 tapitrisa Ar

Voasambotry ny mpitandro filaminana avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohi­ma­nam­bola ny lehilahy mpisoloky ho manana volamena sy miompy kalanoro, teny amin’ ny Rocade, ny 14 mey teo. Nilaza ho manana volamena betsaka avy amin’ny raibeny io lehilahy io. Tsy tafavoaka anefa io harena io raha toa ka tsy mampiasa vola. Noresen’ io mpisoloky io lahatra ny olona iray monina ao Ambohi­bato, kaominina Ambohima­nambola. Nahazoany lelavola nitetina 25 tapitrisa Ar. Nian­dry ny fotoana nifanomezan’ ny roa tonta ny lasibatra saingy tsy nipoitra ilay mpisoloky. Niverina ity farany ka nilaza fa mbola mitaky 7 tapitrisa Ar ny kalanoro ao amin’ny raibeny vao mahazo ny volamena izy. Nahatsikaritra fisian-javatra hafahafa ny lasibatra ka nitoroka teny anivon’ny mpitandro filaminana. Natao ny vela-pandrika nahafana nisambotra ny mpanao ratsy. Voasam­botra teny amin’ny Rocade taorian’ny fiaraha-miasa teo amin’ny zandary izy. Natao famotorana, niaiky heloka ho nanao fisandohana tanteraka io lehilahy io. Tsy misy avokoa ireo zavatra nampanantenainy ny olona nosandohany ireo. Mody manao feona kalanoro sy feon’ny raibeny izy mandritra ny fandreseny lahatra ny olona hosolokiana.

 

Tsiferana R.

Partager sur: