Hiditra amin’ny dingana famaranana, amin’ity faran’ny herinandro ity, ny fifaninanana nasionaly N1A, dingana voalohany, ho an’ny vondrona A. Eo amin’ny sokajy vehivavy, hiady ny amboaran’ny ligin’i Boeny ny ekipan’ny MB2All Analamanga sy ny ekipan’ny GNBC Analamanga.
Niditra an-tsehatra, omaly, ny solontena malagasy miatrika ny Grand Slam, taranja Jiu-jitsu Brezilianina, any Abu Dhabi. Tsiahivina fa manana solontena
3 lahy i Madagasikara. Ahitana an’i Chafik Mohammad, Rasamy Andy ary Rasamy Brayan.
Hotontosaina anio sy rahampitso, eny Andraharo, ny “Orange MPPTour 100”, fifaninanana tenisy anaty efitrano na Padel. Araka ny fanazavana azo, miisa 72 ireo mpilalao ho avy eny an-toerana. Marihina fa natao hampiakarana ny lentan’ny mpilalao eto Madagasikara izy ity.
Voahosotra ho tompondakan’i Espagne, ny ekipan’ny FC Barcelone, afakomaly. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 0, ny RCD Espagne. Tsiahivina fa mbola manana lalao roa ny Barça. Saingy tsy ho tratra intsony ny isa hananan’izy ireo ka tompondaka alohan’ny fotoana ry zareo.