Hiavaka ny fankalazana ny 26 jona: hametrahana tsangambato lehibe eo Analakely

« Fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana », io no tara-kevitra voafidy entina hankalazana ny faha-65 taona niverenan’ny Fahaleovantenan’i Madagasikara sy ny Foloalindahy Malagasy.

Nampahafantarina tamin’ ny fomba ofisialy oma­ly, tao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, niaraka tamin’ny sary famantarana izany. Nitarika ny fampahafantarana ny minisitry ny Foloalin­dahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, niaraka tamin’ny minisitra delege misahana ny zandarimaria, ny Jly Rakotondrazaka Andriantsa­ra­fara Andriamitovy, ary ny minisitry ny Filaminam-bahoaka, ny inspecteur général de police Rakotoarimanana Herilala. Mizara telo ireo hetsika entina hankalazana izany fiverenan’ny Fahaleovantena izany: voalohany, ireo hetsika ara-javakanto sy koltoraly, toy ny fampirantiana ny tantara sy sary mirakitra ny tantaran’ny firenena sy ny Foloalindahy Malaga­sy. Hisy koa ireo fifaninanana ara-panatanjahantena hampisehoana haiady ary kermesin’ny Foloalindahy hatao ao amin’ny Kianja Barea Maha­ma­sina. Manerana ireo distrika rehetra eto Madagasi­kara ny fankalazana ny fetim-pirenena hampiray fo sy saina ny va­hoaka malagasy na dia hiavaka aza ny fankalazana eto an-drenivohitra. Anatin’ iza­ny ny afomanga hatao eny amin’ny Lac Ivato sy ny ivon’ny fankalazana ny 26 jona izay matso lehibe hataon’ireo Hery Fiaro­vana sy Filaminana (FDS) ao amin’ny Kianja Barea Maha­ma­sina. Namba­ran’ny MFA fa hisy ny filoham-pirenena sy mi­nisitry ny fiarovana vahiny nasaina hanatrika ny fankalazana ka eo am-piandrasana ny fanamafisana ny fahatongavan’izy ireo ny mpikarakara. Hampiavaka ity faha-65 taona niverenan’ny fahaleovantena ity koa ny tsangambato lehibe hapetraka eny amin’ny Araben’ ny Fahe­lovantena Analakely. Hifarana ny 27 jona ireo hetsi-pankalazana amin’ny alalan’ny alin’ny FDS na «Nuit des FDS». Ma­ri­hi­na fa ny Jly Rakotondra­bary Eric no filohan’ny komitim-pirenena manomana ny fankalazana ny 26 jona.

Jean Claude

Partager sur: