Notanterahina tetsy amin’ny Fitsarana ambony Anosy ny fananganan-tsaina eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nitarika izany ny minisitra Rakotomandimby Benjamin Alexis. Nambarany tamin’izany ary nanafarany ireo mpiasa rehetra eo anivon’ny minisitera fa mampitombo ny hafainganam-pandeha ny fitondram-panjakana amin’ny ezaka fampandrosoana. “Manana anjara biriky lehibe amin’izany ny fitsarana amin’ny ankapobeny, amin’ny alalan’ny fametrahana tontolo
milamina sy manara-dalàna. Miroso hatrany isika ary mitaona ny rehetra mba hanao ny marina hatrany”, hoy izy tamin’ny lahateniny. Notsiahiviny avy eo ireo vaovao niseho ny herinandro lasa teo. Anisan’izany ny nanaovana ny filankevitry ny minisitra ivelan’Antananarivo, notanterahina tany Toliary. Nitarika izany ny filoha Rajoelina Andry sy ny Praiministra Ntsay Christian ary ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta. Notsiahiviny fa anisan’ny nisongadina tamin’izany ny hanohizana ny fanamboarana ny fonja vaovao ao Amboasary Atsimo. Teo koa ny nanendrena ireo tomponandraikitra roa ao amin’ny fandraharahana ny fonja : Maminjar Jacquot ho “Directeur des programmes et des ressources pénitentiaires”, sy Indriamifidy Nantenaina Gérald, ho talem-paritry ny fandraharahana ny fonja ao Atsimo Atsinanana.
Efa nirary soa sahady ireo reny rehetra ny tenany amin’ny hankalazana izany ny alahady ho avy izao ary nampita hafatra mba ho vavolombelon’ny fahamarinana hatrany eo amin’ny sehatry ny asa sy ny tokantrano izy ireo.
Synèse R.




