Nogiazan’ny mpitandro filaminana ny rongony 15 gony tratra tao ampitan’ny reniranon’i Menagnara, kaominina Vangaindrano, ny alahady 18 mey teo. Nitady hevitra hitondrana ireo entana ireo miakatra ny tanàn-dehibe ny olona tsy fantatra ka niparitaka ny feo. Nitoroka teny anivon’ny mpitandro filaminana ny tsara sitrapo. Niroso tamin’ny fikarohana ny tompon’entana avy hatrany ny zandary. Nitsoaka io mpividy sady mpivarotra rongony io rehefa nahatazana ny mpitandro filaminana teny am-pitan’ny renirano. Tavela ny rongony 15 gony, nilanja 143 kg. Nalain’ny zandary ny entana. Karohina ny tompony amin’izao fotoana. Mponina avy any Ivahona, distrikan’i Betroka, io nikasa hivarotra rongony an-jatony kilao io, araka ny loharanom-baovao voarain’ny mpitandro filaminana. Ho dorana tsy ho ela ireo rongony ireo. Tsiahivina, rongony nilanja 2 992 kg natao tanaty gony miisa 201 nodoran’ny zandary tao Betroka, afakomaly. Olona dimy voatazona vonjimaika any am-ponja.
Tsiferana R.