Nambaran’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, omaly, fa nahitana fihenana lehibe tato ho ato ny fanampiana ara-bola avy any ivelany “Aide publique au développement”. Anisan’izany ny fanampiana avy amin’ny vahoaka amerikanina (USAID). Miakatra hatrany ny vidim-piainana, ary vao mainka niharatsy ny toe-draharaha ara-toekarena taorian’ny fanapahan-kevitry ny Banky foibe hampiakatra ny tahan’ny zanabola, araka ny nambarany. “Miantraika mivantana amin’ny tokantrano sy ny fiainan’ny vahoaka avokoa ireo rehetra ireo”, hoy izy. Manamafy ny antso efa nataony, araka izany, ny MMM hampiatoana vonjimaika ireo tetikasa tsy laharam-pahamehana, toy ireo miompana amin’ny fisehosehoana ivelany fotsiny nefa tsy misy akony mivantana amin’ny fiainan’ny vahoaka.
Notakiany ny hanitsiana haingana ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFR) ho amin’ny laharam-pahamehana vaovao. “Anisan’izany ny famoronana asa, ny fiarovana ny sosialim-bahoaka, ary ny fanohanana ireo tetikasa ara-toekarena maharitra ny famenoana ny banga amin’ireo famatsiam-bola tsy azo”, hoy ihany izy. Tafiditra ao anatin’
izany ny fampiroboroboana ny voly fanondranana, ahafahana misintona vola vahiny hidiran-karena ho an’ny firenena. Afaka hanome vahaolana maika amin’ny fandoavana ny trosa tokony ho an’ireo orinasa efa nanao asam-panjakana nefa niandry vola efa ho an-taonany maro koa ny fanitsiana ny tetibola, araka ny nambarany hatrany.
Niantsoany ireo parlemantera izany rehetra izany. “Aoka hijoro hiaro ny tombontsoan’ny vahoaka nifidy anareo ianareo fa tsy sanatria ho an’olon-tokana na ho an’ny antoko ny antom-pisianareo”, hoy izy.
Synèse R.