Tsy hihemotra amin’izay efa tapaka sy fanamby nataony tamin’ny vahoaka ny ben’ny Tanànan’ i Toamasina, ny mpahay lalàna Alain Andriafanomezantsoa, sy ny ekipany. Tato ho ato, nasehony tamin’ny fandraisany andraikitra ny fitazonana ny teny nataony. Tsy maintsy sokafana ny lalampasika rehetra izay tsy tafiditry ny fiaraben’ny mpamonjy voina mba hitsinjovana ny aina sy ny fananan’ny vahoaka raha sendran’ny patsa iray tsy omby vava, sy izay mety ho voina voajanahary. Betsaka ny vokatsoa ateraky ny fanokafan-dalana, anisan’izany ny fahamoran’ny fidiran’ny fiaran’ny mpitandro filaminana any anelakela-trano, toy izany ihany koa ny fiara mpitondra marary. Tanjona ny hanamora ireo karazam-panavotana ny mpiara-belona. Notanterahina ny talata teo ny tetsy Tanamakoa parisela 12/14. Ilan-tranovato sy lakoro vato ary trano hazo maro no voakasika. Voatery nesorin’ny mpiasan’ny kaominina ny an’ireo tsy nanala ny azy.
Tsy izay ihany anefa fa betsaka ihany koa ireo kioska izay manelingelina ny mpandeha an-tongotra no efa nesorina. Amin’izay fanatsarana ny endriky ny tanàna izay hatrany, nampitandrina ireo tompona posy sy Bajaj ny ben’ny Tanàna mba hampanara-penitra ny mpitondra izany. Izay tsy manaraka ny fepetra dia tsy afaka miasa. Hisy fampiofanana ho an’ny mpamily ireo karazam-pitaterana ireo ka eo no hanaovana sivana izay mahafehy ny atao hoe mpitatitra an-drenivohitra. “Mpitsara aho ka tsy misy mpitsara hiverina amin’ny didy izay navoakany ka roso ny dia fa izay efa notinapaka sy fanamby dia tsy maintsy tanterahina. Toamasina mandroso no tanjona”, hoy ny ben’ny Tanànan’i Toamasina.
Sajo




