Mitohy hatrany ny ezaka fanatsarana ny fitantanana ny zo hanana tany eto Madagasikara, iarahana amin’ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT). Nidina ifotony ireo mpiasan’ny minisitera amin’izany.
Hifarana anio, rehefa nanomboka afakomaly, ny fanofanana ny ekipan’ny fitaleavan’ny sampandraharahan’ny fananan-tany eo anivon’ny MFFT any Maevatanàna sy Mahajanga I sy II, miaraka amin’ny any Ambatoboeny ary Marovoay. Anisan’ ny lohahevitra aroso ao anatin’izany ny fomba fanatanterahana ny fitantanana voatsinjara eo amin’ny sampandraharahan’ny fananan-tany. Eo koa ny fampiharana ny fampananana antoka amin’izany (Odoc/ OCFM). Manampy izany ny fampahafantarana ireo sori-dalana arahina mandritra ny fanesorana ny fizaka-manana ho fanasoavam-bahoaka ary koa ny momba ny fitantanana ny biraon’ny fananan-tany. Nitondrana fanazavana tamin’izany koa ny momba ny haitao vaovao, toy ny Birao solotenan’ny fananantany iraisana (BSFI) sy ny fomba famaritana ny sarintany niomerika na ny ara-kajy mirindra.
Fanamafisana ny mangarahara
Nambaran’ny tomponandraikitra fa tafiditra amin’ny ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny mpisehatra rehetra izao fiofanana izao. Eo koa ny hanamafisana ny mangarahara sy ny ho maha matihanina hatrany ary indrindra ho fiarovana sy ho fanomezan-danja ny zon’ny tany eny ifotony.
Mbola hitohy amin’ny faritra hafa hatrany ny fidinana ifotony sy ny hetsika tanterahin’ny eo anivon’ny MMFT tahaka izao.
Tsiahivina fa tohanan’ny tetikasa Plae sy ProPFR izao fanofanana izao, misahana ny fampiofanana kosa ireo eo anivon’ny fitaleavana ara-teknika ao amin’ny sampandraharahan’ny Fananantany, toy ny DOE, DDPF, DST ary DSFD.
Synèse R.