Kandidà sy delegen’ny Avi: Mitsipaka ny voka-pifidianana

Mbola nanamafy ny kandidà sy ny delege miara-dia amin’ny Avi, avy any Andria­mena Tsaratanàna, fa mitsipaka marindrano ny voka-pifidianana ben’ny Tanàna tany an-toerana. Naneho ny alahelony izy ireo tamin’ny fanafoanana ny voka-pifidianana tamin’ny biraom-pifidianana miisa 4 sy ny fahatratrarana hosoka. Efa lany tamin’ny voka-pifidianana navoakan’ny Ceni ny kandidàn’ny Avi, Rakotoarivony Minosoa. Niva­dika anefa ny vokatra noho ny fitarainan’ny delegen’ny kandidà tsy miankina teny amin’ny tribonaly misahana ny ady amin’ny fanjakana rehefa foa­na ny vokatra tamin’ny birao efatra. Lany, araka izany, io avy amin’ny mahaleo tena io. Tsipahin’ireto solontenan’ny kandidà sy ny delege ireto anefa izany. “Tsy manara-dalàna io, satria, tokony tamin’ny andron’ny fifidianana no nanao fitarainana ireo delege, raha ny lalàna”, hoy izy ireo. Nanamafy izany koa ny kandidàn’ny Irmar. Niantso ny fitondram-panjakana izy ireo mba hijery akaiky izao zava-mitranga any Andriamena izao.

Mi.Raz

Partager sur: