Maka tahaka be fahatany: Volana jona, hitaky ny zony indray ny ankizy

Higadona afaka andro vitsy ny volana jona, na ny «Volan’ny ankizy». Ankoatra ny lalao, hitaky ny zony indray ny ankizy. Amin’ny ankapobeny, avy amin’ireo hetsika na fampirisihana omen’ny raiamandreny na karazam-pikambanana samihafa no mahatonga ireny ankizy ireny hiteny.
Efa nahazatra ny Mala­gasy ny «manan-joky afak’olan-teny». Saingy, mivandravandra amin’ny fitakiana ataon’izy ireo fa maka tahaka be fahatany ny any ivelany ny ankizy malagasy. Faharoa, tsy mahay sy tsy mahafantatra ny momba azy, izy ireo. Any amin’ny firenena tandrefana, efa zary lasa fady, ohatra, ny mikapoka ankizy. Vao nahafantatra izany ny ankizy eto Madagasikara, manangam-bovona avy hatrany raha vao kapohin’ny ray aman-dreniny.
Matoa lazain’ny zaza sy ny ankizy malagasy fa tsy mety intsony ny hikapohana azy ireo, satria, tsy ampy ny fahalalana ao aminy. «Ny zaza tiana tsy hitsitsiana rotsakazo», hoy ny Malagasy. Fahen­drena sy soatoavina ary fahalalana tsy mety lany andro ny tahaka io, saingy, tsy hain’ny «ankehitriny» intsony noho ny fakan-tahaka be fahatany ny any ivelany.
Raha tsy manana fandavan-tena hampianatra sy ha­noro ny momba azy ny taranany ny ray aman-dreny, azo antoka fa tsy hanana ny hasiny intsony manoloana ny zana­ny. Efa hita miharihary eto amin’ity Nosy ity io tranga io. Ray aman-dreny sy raiamandreny voavingavinga noho ny tsy fananany hasina intsony.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: