Zatovo nanao andrana fiara : Lehilahy maty voadona, potika ny razana

Nipitika ny tongotr’ilay olona maty, voadonan’ny fiara teny Ambohitrimanjaka. Hatry ny omaly, tsy mbola fantatra ny momba azy. Atao andrimaso eny amin’ny hopitaly ireo zatovo lahy sy vavy nitondra ilay fiara tra-doza nandritra ny andrana nataon’izy ireo.

Tsy mbola hita ny havan’ ilay lehilahy maty sy potika voadonan’ny fiara teo anelanelan’ny tetezana Ambohitrimanjaka sy ny Art malagasy, afakomaly alina tamin’ny 8 ora latsaka fahefany. Lehilahy zarazara hoditra, manodidina ny 35 hatramin’ny 40 taona eo ity niharam-boina ity. Tsy nahitana taratasy nahafantarana azy tany ami­ny, nandritra ny dona nahazo azy. Nentina eny anivon’ny tranom-paty ny razana tao­rian’ny fanadihadiana nataon’ ny Brigade des accidents (BAC) ny zava-nitranga teny an-toerana. Tsy mbola nisy fianakaviana nandalo tany amin’ny tranom-paty na tany anivon’ny BAC izay nisahana ny raharaha hatramin’ny omaly hariva.

Fiara Golf type 6 GTI, nandeha mafy avy any amin’ny lalana Ambohitrimanjaka hihazo ny fivarotana asa tanana malagasy eny an-toerana no nandona lehilahy nandeha an-tongotra tamin’ny sisin-dalana. Noho ny hamafin’ny dona nahazo azy, tavela teo amin’ ny arabe ny tongotra iray an’ ilay voadoana. Izay nitsoaka sy niala tamin’ny vatany. Nipitika sy latsaka tany anaty fefiloha kosa ny vatan’ity lehilahy ity, nandritra izany. Tsy mbola voamarina raha mamo ity lehilahy voadona ity na tsia fa mamaritra izany ny valin’ny fizahana ataon’ny mpitsabo. Tsy nahatana ny familiana in­tsony kosa ny mpamily ni­tondra ity fiara nahavanon-doza ity ka nifatratra sy nivadika tany anaty rano.
Nanao andrana ny fiara

Heverina ho nanao andrana ilay fiara Golf type 6 GTI ny mpamily izay nitondra azy tamin’io fotoana io. Fiara mandeha mafy toy ireny fiarana mpanao rallye ireny ity fiara ity. Tovolahy 23 taona, mbola mpianatra no nitondra azy tamin’io fotoana nisehoan’ny loza io. Vehivavy 22 taona no niaraka taminy tao anaty fiara. Naratra mafy vokatry ny fivadihan’ny fiara nentiny izy roa tao anaty fiara. Nentina notsaboina eny anivon’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha avy hatrany taorian’ny tranga. Hatao andrimaso eny rahateo izy ireo. Mbola tsy fantatra mazava ny tena antony nahatonga ity loza mahatsiravina ity. Andrasana ny tohin’ny raharaha sy ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana.

Mino

Partager sur: