Anisan’ny mahasarika ny vahiny eto Madagasikara ny fananany asa tanana miavaka. Hatramin’izao, anefa, mbola tsy afa-mivelatra araka ny tokony ho izy ity zavakanto iray ity. Antony iray miteraka izany ny tsy fisian’ny toerana lehibe sy mahasarika ny mpividy na ny mpanjifa. Matetika, voahidy amina toerana iray izy ireny. Faharoa, tsy ampy ny fampahafantarana ny fisian’ireny asa tanana ireny, hany ka ny sendra mandalo no mahita. Fahatelo, ny fiheveran’ny mpanao asa tanana fa ireo vahiny avy any ivelany ihany no afaka manjifa ny asa tanany, ka tsy manao ezaka hampahafantatra ny mpanjifa eto an-toerana izy ireny.
Anisan’ny fanarenana takina amin’ny mpanao asa tanana ny fahaiza-mifehy sy manapariaka ary mampahafantatra ny sehatra misy azy ireo. Mbola vitsy ihany, ohatra, ireo mpanao asa tanana eto Madagasikara no manana tsena na toerana hampirantiana sy hivarotana ny sanganasany any amin’ireny trano fandraisam-bahiny lehibe ireny. Tahaka izany ihany koa ny any amin’ireny toerana fitsangantsanganana (manan-tantara…) mahasarika mpitsidika ireny.
HaRy Razafindrakoto