Lehilahy roa voasambotry ny polisim-pirenena teo am-pangalarana sy famakiana trano teto an-drenivohitra, afakomaly. Nikasa hangalatra moto tetsy Tsimbazaza ny iray, namaky trano tetsy Ambodihady kosa ny faharoa.
Mbola mitohy hatrany ny asa ratsy fangalarana sy famakiana trano ataon’ny olon-dratsy eto Antananarivo, na dia efa maro aza ny ezaka ataon’ny mpitandro filaminana hamongorana sy hiadiana amin’izany, amin’izao fotoana. Lehilahy roa tratra nangalatra sy namaky tranon’olona teto Antananarivo, afakomaly. Voasambotry ny polisim-pirenena ny lehilahy iray nikasa hangalatra moto an’olona tetsy Marohoho Tsimbazaza, afakomaly atoandro tamin’ny 12 ora sy 30 minitra. Nikasa haka moto iray marika Jinglang teo akaikin’ny banky BOA Marohoho Tsimbazaza ity olon-dratsy
ity, tamin’io fotoana io. Nahita sy nahatsikaritra izany ny mpiambina ny toerana. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany izy taorian’izay. Tsy niandry ela fa niatrana teny an-toerana ny polisim-pirenena taorian’ny antso. Mbola tratra teo am-pangalarana ilay moto ity olon-dratsy ity ary tsy afa-nandositra fa voasambotra teo no ho eo. Nentina eny anivon’ny biraon’ ny Kaomisaria Mahamasina ity jiolahy ity nanokafana fanadihadiana.
Lehilahy iray hafa koa tratra namaky tranon’olona tetsy Ambodihady, afakomaly alina ihany. Nahatsikaritra ny fisian’ny olon-tsy fantatra iray nikasa hangalatra sy hibata entana tao an-tranony ny tompon-trano ka nampandre ny polisy. Tonga teny an-toerana nisambotra ity olon-dratsy ireto farany. Tratra niaraka taminy ny Subwoofer avy nangalariny. Nametraka fitoriana eny anivon’ny kaomisaria CSP6 Ambohimanarina ny tompon-trano.
Jiolahy mpamerin-keloka
Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny mpitandro filaminana fa anisan’ny jiolahy efa mpamerin-keloka sy efa nigadra ary vao nivoaka ny fonja vao haingana ilay olon-dratsy tratra tetsy Tsimbazaza. Tsy mety fay fa miverina manao ny asa ratsiny hatrany rehefa avy any am-ponja. Hatolotra ny fitsarana ny raharaha mahakasika azy io aorian’ny fanadihadiana atao aminy. Manentana ny olom-pirenena hatrany ny mpitandro filaminana mba hahasahy hitoroka raha maheno trangan-javatra hafahafa sy mampiahiahy.
Mino