Fifanaraham-piaraha-miasa telo sosona no vita sonia ny 16 mey, teny amin’ny Phare Ivandry, eo amin’ny Antenimieran’ny varotra sy ny indostria France-Madagascar (CCIFM) sy ny Vondron’ny vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM) ary ny ONG Women Lead Movement Madagascar (WLM). Kendrena ny hampiroboroboana ny miralenta, eo amin’ny lahy sy ny vavy, famerenana eny anivon’ny fiaraha-monina sy hanatsarana ny toekaren’ireo vehivavy lasibatry ny herisetra ary hanohanana ny fandraharahan’ireo vehivavy eto Madagasikara. « Fototra iorenan’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny lafiny sosialy ny fampivoarana ny vehivavy eo amin’ny tontolon’ny asa », hoy ny filohan’ny CCIFM, Raharinosy Johanne. Nohamafisin’ny filohan’ny GFEM, Razakaboana Fanja, fa « manana andraikitra lehibe hanamafisana ny tanjaka sy ny fiarovana ary ny fahaleovantena ny vehivavy izao fiaraha-miasa izao fa tsy hijanona ho fanoitry ny fampandrosoana ihany ». Tanjona ny hananganana tontolo iainana mirindra ka ahafahan’ny vehivavy mandray anjara amin’ny fampandrosoana ny toekarena sy ny sosialy ary ny maha olombelona eto Madagasikara. Niara-nanao sonia ity fifanaraham-piaraha-miasa ity ny filohan’ny CCIFM, Raharinosy Johanne, ny filohan’ny GFEM, Razakaboana Fanja, ary ny talen’ny Women Lead Movement Madagascar, Rasamimanana Onjaniaina.
Henintsoa