Miisa dimy ny faritra (Sofia, Diana, Sava, Analanjirofo ary Boeny) ao anatin’ny Vovonana fitantanana ny Faritra arovana (PFGap) Avarabe Lovainjafy. Anisan’ny sahanin’izy ireo ny fiarovana ny ala honko sy ny rohivoahary any an-toerana.
Nohazavain’ny Talen’ny fotodrafitrasa sy ny fampandrosoana (DID) faritra Sofia, sady filoha lefitry ny PFGap Avarabe Lovainjafy, Fidèle Emilson, fa tena raharaham-panjakana ny fiarovana ny tontolo iainana. Natsangana ny taona 2017 ny vovonana PFGap Avarabe Lovainjafy. Satria, manana rohivoahary miavaka, ny fisian’ny tandavanala sy atiala ary ala honko, midadasika any amin’iny tapany avaratra, avaratra andrefana ary atsinanan’i Madagasikara iny. Ho an’ny faritra Sofia, mirefy 450 km ny ala honko, mamatsy hazo an’i Nosy Be hatrany Mahajanga amin’ny saribao, hazo atao fanaka, trano, miampy hazandrano isan-karazany. Manoloana ireo, tsy manome fahazoan-dalana hikapa hazo intsony ny faritra Sofia, hampitsaharana ny fitrandrahana tsy ara-dalàna. Na izany aza, misy ireo minia mandika lalàna, ka nisy ny hazo honko tratra, saika halefa any Nosy Be, tratran’ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana (Dredd) Sofia, ny volana mey teo.
Manarina ny ala honko ny tetikasa Ma Honkô
Efa maro ny mpisehatra miara-miasa amin’ny fitondram-panjakana. Anisan’izany ny Madagascar national Park (MNP) any amin’ny Valanjavaboahary Sahamalaza. Hita any Sofia koa ny fikambanana Blue Ventures, ny Planète Urgence ary ny orinasa Bôndy. Ho an’ity farany, natao ny tetikasa Ma Honkô, hanarina ny ala honko simba. Mahatratra 600 ha ny velaran-tany nambolena honko, nanomboka ny taona 2023. Tanjona ny hanarenana 10 000 ha ato anatin’ny 5 taona. Manodidina ny 90% ny fahombiazan’ny hazo maniry.
Miara-miasa amin’ny kaominina, vondrona olona ifotony (VOI), any amin’ny distrika Antsohihy, Analalava, Port-Berger ity orinasa ity. Nilaza Françoise, ben’ny Tanàna Befotaka Nord, distrika Analalava, fa « mahatratra 1 500 ny olona miara-miasa amin’ny Bôndy any amin’ny fokontany enina. Hojerena koa ny fiompiana, ny fambolena, ny fananganana fotodrafitrasa, sns ».
Njaka Andriantefiarinesy