Minisitra Moustapha Marson Abdulah :Tsy manavaka taranjam- panatanjahantena ny MJS

Mandray fifaninanana iraisam-pirenena maro i Madagasikara, ankehitriny. Misy ihany koa ireo fifaninanana eto an-toerana amin’ny taranja hafa izay mizotra amin’izao fotoana izao. Manatrika izany hatrany ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), Mousta­pha Marson Abdulah.

Tsy manavaka taranja ara-panatanjahantena misy eto Madagasikara ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), tarihin’ny minisitra Marson Moustapha Abdulah. Manaporofo izany ny fanatrehany ireo hetsika ara-panatanjahantena rehetra mandeha eto amin’ny firenena. Ny alarobia lasa teo, tonga nanatrika ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny fifaninanana afrikanina “IHF Trophy” aty amin’ny faritra fahafito, taranja handball izy.
Ny zoma teo koa, tetsy Ambohijatovo, nanatanteraka fitsidihana ara-pomba fanajana ny minisitry ny Tanora sy ny fanatanjahantena, ny filohan’ny Kaonfe­derasionina afrikanin’ny handball, Aremou Adolphe Mansourou. Noresahina nandritra izany ny fanohizana sy fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaon­federasionina sy ny minisitera ary ny Federasionina malagasin’ny handball (FMH). Teo ihany koa ny fije­rena akaiky ny paikady hanohanana sy hampandrosoana ity taranja ity eto Madagasikara. Naneho fankasitrahana manokana ny fahaiza-manaon’i Madaga­­si­kara amin’ny fikarakarana sy fandraisana hetsika ara-panatanjahantena iraisam-pirenena ity mpitantana ny handball eto Afrika ity. Nisaotra ny fan­jakana malagasy ity vahiny mpitantana ity tamin’ny fankatoavana ny fandraisana ny lalao iraisam-pirenena “IHF”, ho an’ny sokajy U17 sy U19 teto amin’ny Nosy.

Paralympika

Hiatrika ny fifaninanana « Grand Open Han­disport Paris 2025”, ny 30 mey hatramin’ny
4 jona, ny Malagasy atleta, izay avy amin’ny Federasionina malagasin’ny paralympika. Manoloana izany, nanolotra vatsin-dalana ho azy ireo ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoe­lina Andry. Nanome izany azy ireo mivantana, tetsy Ivato, ny alarobia lasa teo, ny minisitry ny MJS. Nanome toky kosa ireo Malagasy atleta fa hanome vokatra tsara ary hiezaka hampisongadina ny Nosintsika mandritra ity lalao ity.

Tenisy ambony latabatra

Notontosaina nanomboka ny sabotsy teo, tao amin’ny Lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena Mahamasina, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika Atsinanana, amin’ny taranja tenisy ambony latabatra, sokajy lahy sy vavy. Firenena miisa valo no mandray anjara amin’ izany, ahitana an’i Madagasikara, mpampiantrano, Maurice, Seychelles, Ethiopie, Djibouti, Erythrée, Soudan ary Ouganda. Tonga nanome voninahitra ny lanonam-panokafana, afakomaly, ny minisitra Marson Moustapha Abdulah sy ireo mpiara-miasa aminy eo anivon’ity rafi-panjakana ity. Nandritra ny fandraisam-pitenenany, nanamafy hatrany ny lanja omen’ny fitondrana izay tarihin’ny Filo­ham-pirenena malagasy ny fanatanjahantena izy, ary mametraka izany ho sehatra iray entina hanandratana ny voninahi-pirenena. Nilaza ny eo anivon’ny Federasionina malagasin’ity taranja ity, fa hanome ny vokatra tsara indrindra ary hiezahin’ireo mpilalao ny mba tsy hivoahan’ny medaly volamena eto Madagasi­kara.

Tsipy Kanetibe

Ankoatra izay, misy ihany koa ny fifaninanana nasionalin’ny taranja tsipy kanetibe. Nanomboka ny zoma lasa teo, tetsy amin’ny Kianja Soamandrakizay izany. Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy izany, teny an-toerana, ny minisitra Mou­s­tapha Abdulah Marson. Nomarihiny
nandritra ny fandraisam-pitenenany fa vonona tanteraka izy ny hanohana ny taranja. « Hiezaka ny hiady mafy aho mba hahafahan’ny tsipy kanetibe miditra ao anatin’ireo taranja hifanintsanana
amin’ny Lalao Olympika. » hoy ity mpitantana ny Tanora sy ny fanatanjahantena malagasy ity. Tsara ny mampahatsiahy fa ny taranja Tsipy kanetibe, izay nampientana ny fon’ny Malagasy rehetra nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany natao tany France, ny taona lasa teo.

Fitia Randria

Ankoatra ireo voalaza eo ambony, maro ny zava-bitan’ny minisitra Marson Moustapha Abdulah. Efa nanotrona ny fifaninanam-pirenena ho an’ny taranja lomano izy, ary nanokatra izany tamin’ ny fomba ofisialy. Tsy izany ihany fa nijery sy nanolotra amboara tamin’ny lalao famaranana “XXL Top 12” ihany koa. Tsara ny mampahatsiahy fa izy no angady nananana sy vy nahitana ny hetsika « Youth Connekt Africa 2025 » izay hatao eto Madagasikara, ny volana novambra ho avy izao. Maro ny zava-bita fa eo koa ny andraikitra miandry azy. Ireo rehetra ireo, nataon’ity minisitra ity, mba ho fampandrosoana ny firenena malagasy, araka ny andraikitra napetraky ny Filoham-pirenena aminy.

Partager sur: