Feno 60 taona ny lalam-piofanana Toekarena, eny amin’ny Oniversiten’Antananarivo. “Tsangambato entina hanamarihina izany jobily izany ny fanavaozana sy fampanarahana fenitra ny efitrano lehibe mahazaka olona hatramin’ny 150 isa ao amin’ny Grand Amphi, fakiolite EGS”, araka ny fanazavana nentin’ny mpiandraikitra ny sampam-piofanana, ny Pr Randriamanampisoa Holimalala, omaly, teny Ankatso. Araka izany, hotanterahina eny amin’ny espace Hahitantsoa, Alasora By Pass, ny 28 jona, ny «Sixty night». Hetsika hanangonam-bola entina hanavaozana sy hampanaraham-penitra ny efitrano ary hanatanterahana ny tetikasa mba ho toeram-pifanakalozana akademika sy hanandratana avo ny fampianarana ambony ary ny fikarohana siantifika izany. “Mahatatra 100 tapitrisa Ar ny fanatanterahana ny tetikasa ka hiantsoana ireo maintimolaly nivoaka tao amin’ity lalam-piofanana ity”, hoy ny mpiandraikitra eo amin’ny komity mpikarakara ny fankalazana, ny Dr Andrianambinina Djohary. Tsiahivina fa namoaka olom-banona, mpahay toekarena, mpandraharaha, mpampianatra, mpisehatra ara-toekarena maro samihafa teto amin’ny firenena ny sampam-piofanana Toekarena, tao anatin’ny 60 taona ary mbola vonona hanohy ny ezaka ho fampiroboroboana sy fampandrosoana ny firenena sy ny fampianarana ambony.
Henintsoa