Fotoana nentin’ny fikambanana nanamarihina ny Andro maneran-tany ho an’ny Tontolo iainana (JME), ankalazaina isan-taona, isaky ny 5 mey. Lohahevitra amin’
ity taona ity, «Atsahatra ny fandotoan’ny plastika ny tontolo iainana».
Nohazavain’ny Dr Salama Jean Claude, fa misy ny vokatra plastika, ary eo ny fako azo avy aminy. Zava-doza ity akora ity satria sarotra, misy an-jato taona (400 taona), vao levona. Izany hoe, miala tsikelikely ireo singa ao anatiny, ka izay no tena maha zava-doza azy. Satria, ahitana akora solitany ao anatiny, sokajina ao anatin’ny singa Biotope. Notsoriny fa efa lasa karazana planeta iray manokana mihitsy ny plastika. Miantraika any amin’ny fahasalaman’ny karazan-javamananaina rehetra izany, hita any anaty olombelona, biby, zavamaniry, rano, rivotra, sns. Misy sokajy roa ny plastika, ny maharitra izay azo ahodina sy ny tsy azo ahodina ho lasa vokatra vaovao indray.
Saika efa plastika ny ankamaroan’ny entana maro, ankehitriny. Singanina amin’izany, ny fantson-drano sy ny kojakoja mifandraika amin’izany, karazany PVC sy PPR. Nasolo ny fantsona vy (tuyau galvanisé) izy ireny, izay tena mampidi-doza kokoa ho an’ny fahasalamana ny singa «oxyde de plomb» ao anatiny.
Tsy ampiharina ny lalàna
Eto Madagasikara, tsy mazava ny lalàna mifehy sy ny fitantanana ny akora plastika, araka ny hevitry ny Dr Salama Jean Claude. Singaniny amin’izany ny mahakasika ilay fotoana namoahan’ny minisiteran’ny Varotra ny didy hitsivolana, mametra ny lanja sy hatevin’ny fonosana plastika farany ambany azo ekena, nivoaka ny taona 2017. Ankehitriny, azo raisina fa tsy ampiharina io didy io, na dia tsy nofoanana aza. Raha ny fenitra iraisam-pirenena, tsy mahazo milatsaka ny 50µ/g io fetra io, nefa tsy araka izany ny eto amintsika. Aminy, ny minisiteran’ny Varotra tamin’
izany fotoana izany no nanapa-kevitra irery namoaka ilay didy, fa tsy nakan-kevitra ny mpisehatra hafa, toy ny orinasa mpamokatra indostrialy, ny sampandraharahan’ny ladoany, ny mpiaro ny tontolo iainana, ny mpanjifa, sns. Ankoatra izany, tsy fantatra raha nampiharina na tsia ny sazy, raha nisy ny nandika azy, toy ny fandoavana onitra, ohatra.
Ho an’ny fanodinana ny fako plastika eto amintsika, mampiasa fitaovana fiarovan-tena, na «Equipement de protection industriel» (EPI) ireo mpikirakira azy ireny, indrindra ireo manao asa tanana madinika, toy ny mpiasa indostrialy mpamokatra vokatra plastika ihany koa.
Fifanarahana iraisam-pirenena
Eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, natsangan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny tontolo iainana (PNUE), ny Vaomiera iraisam-pirenena fifampidinihana mahakasika ny loto ateraky ny plastika (Intergovernmental Negotiating Committee on Plastic Pollution). Hatao ny 5-14 aogositra 2025 ho avy izao, any Geneve Soisa, izany ho tohin’ny fivoriana andiany fahadimy natao tany Korea Atsimo, ny desambra 2024 teo. Nilaza ny Dr Salama Jean Claude, fa «ho dinihina amin’
ireo fotoana ireo ny tokony hatao sy ny fepetra horaisina mahakasika ny fako plastika. Azo heverina ny hamoahana fifanarahana iraisam-pirenena, traité na convention mahakasika ity akora ity. Amiko, mety tsy hanaiky izany ireo orinasa na firenena mpamokatra solitany …».
Rijan-teny
Nambarany koa fa efa tena mandroso ny fitantanan’ny firenena mandroso ny fako plastika. Noraisiny, ohatra, ny firenena Suisse, izay tena sarotiny amin’ny fitiliana ny rano fisotro, na ireny lazaina, fa rano voajanahary ireny aza. Isaky ny adiny iray, ny fitiliana ataon’ny laboratoara, mahakasika ny singa anatin’ny rano voajanahary (eau minerale, eau de source,….).
Mila mifanaraka amin’izany ny eto Madagasikara. Hafatro ny tokony hamoahana ny rijan-teny mahakasika ny akora plastika, ny fitantanana ny fako avy aminy.
Efa hitan’ny olombelona tamin’ny vanim-potoana talohan’i Jesoa Kristy (av-J-C) ny akora plastika. Noforonina tamin’ny alalan’ny zavamaniry fingotra (caoutchouc). Lasa vokatra ity akora ity ny taona 1862. Niroborobo amin’izay ny famokarana indostrialy azy io, nanomboka ny 1867, toy ny famonosana, sns.
Nanatontosa : Njaka Andriantefiarinesy