Notafihan’ny jiolahy : Ramatoa 70 taona hita faty notapahan-doha

Renim-pianakaviana iray hita faty rehefa nentin’ny jiolahy ary novonoina tamin’ny fomba feno habibiana, tao Antsirabe II, afakomaly.

Notapahan’ireo tsy valahara ny lohan’ny renim-pianakaviana iray 70 taona, tao amin’ny fokontany Vohikely, kaominina So­han­drariny, distrikan’Antsirabe II, ny alin’ny alahady 01 jona teo. Jiolahy 15 lahy nitam-piadiana nanafika tao amin’io ramatoa io, tamin’ny 11 ora alina. Nentin’ireo tsy mataho-tody nan­dositra avy hatrany ilay ramatoa. Nifampitadiavan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana ireo mpanao ratsy. Nirongo fitaovam-piadiana anefa ireo jiolahy ka nananosarotra ho an’ireo fokonolona ny fanarahan-dia. Nikaroka tamin’ny kaominina manodidina ireto farany. Hita faty tany amin’ny 10 km miala ny tanàna, tao amin’ny kaominina Ambohimandroso, ilay voatafika izay voakapa zava-maranitra teo amin’ny tendany.

Nokapaina ny lohany
Tsy nisy loha intsony ilay ramatoa 70 taona. Nihoron-koditra ireo mpanara-dia izay nikasa hanavotra ny ain’io niharam-boina io. Manana toe-tena varira io renim-pianakaviana io, araka ny loharanom-baovao. Nentin’ny mpitandro filaminana niverina amin’ny tanàna nangalan’ireo tsy mataho-tody azy, ilay ramatoa. “Tsy fantatra mazava ny antony nahatonga ny famonoana”, hoy ny mpitandro filaminana misahana ny famotorana. Marihina, mirongatra ny vono olona saika manerana ny Nosy tato ho ato. Fa­nendahana, fandrobana izay saika miafara amin’ny fandratrana na fahafatesan’olona hatrany. Manohy ny ady amin’ny fisamborana ireo mpa­nao ratsy minia manao io habibiana io ny mpitandro filaminana.

Tsiferana R.

Partager sur: