“SIW”, andiany fahavalo: Antoka ho an’ny fampandrosoana ny indostria

Tosika ho an’ny orinasa malagasy sy ny famokarana eto an-toerana ny Herinandro ho fampiroboroboana ny indostria eo anivon’ny Sadc (SIW), atao eto Madagasikara. Hojerena manokana ny fiaraha-miasa sy ny fitadiavana lalam-barotra ho fampandrosoana ny toekarena sy ny fifanakalozana ara-barotra.

Hotanterahina eny amin’ny Novotel Alarobia, ny 28 jolay hatramin’ny 01 aogositra 2025, ny Herinandro ho fampiroboroboana ny indostria (SIW) andiany fahavalo eo anivon’ny Sadc.
Ambohi-pihaonan’ireo mpandraharaha sy mpisehatra ara-toekarena ary mpiara-miombon’antoka eo anivon’
ireo firenana mpikambana ao ami’ny vondrona Sadc ny he­tsika. «Hifanome tanana amin’ ny fampiroboroboana ny in­dostria sy hanatsara ny fifandraisana ara-barotra amin’ireo firenena samihafa ny tanjona», hoy ny minisitry ny Fam­piroboroboana ny indostria sy ny varotra, Ralambofiringa David, omaly, nandritra ny fampahafantarana ny “SIW 2025”, teny Alarobia. Namba­rany fa hampahafantatra ny zava-bita sy hifampizara traikefa ary ireo fanamby samihafa hampandrosoana ny indostria ireo firenena 16 mpikambana ao amin’ny Sadc. Ha­songadina manokana fa fototry ny fampanananasa lovainjafy ny indostria. Miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny fanovana ny rafi-pamokarana ary hampiroborobo ny fampiasana ny angovo azo havaozina mizotra mankany amin’ny fikajiana ny tontolo iainana izany.

Miara-dalana
Tombony ho an’i Madagasikara ny fananana akora samihafa hamaliana ny filan’ireo firenena hafa ho an’ny fampandrosoana ny famokarana sy hampihenana ny fanafarana. «Sakana amin’ny fampandrosoana eto amintsika ny tsy fahafantarana ny filan’ireo firenena manodidina. Araka izany, tokony hamaritra izany isika mba hahafahana manondrana ny vokatra ara-kalitao sy manaraka ny fenitra takina», hoy ny fanazavana voaray. Marihina fa mbola hafarana any ivelany avokoa ny 80% amin’ny filantsika andavanandro, izay mampietry ny toekarena sy ny orinasa malagasy.
Ankilany, nilaza ny filohan’ny Sendikan’ny indostria eto Madagasikara (SIM), Rasami­manana Tiana, fa «afaka mifaninana amin’ireo indostria any ivelany ny orinasa malagasy». Heverina, hoy izy, ny hisian’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo anivon’ny SADC mba hampifamenoana ny vokatry ao anaty vondrona ka ahafahan’i Madagasikara mijery lalam-barotra hafa.

Henintsoa

Partager sur: