Toekarena mihodina : Hamafisina ny tetikasa kopakelatra

Olana goavana atrehin’izao tontolo izao ny loto avy amin’ ny tavoahangy plastika. An-tapitrisany isan-taona ny ariana sy very eny rehetra eny. Manoloana ireo, hamafisin’ny orinasa Star ny tetikasa Kopakelatra, hitantanana ny fako plastika. Miisa 131 ny vata naparitaka, 93 amin’ny toerana stratejika an-tanàn-dehibe miisa enina. Natao hanangonana ny tavoahangy plastika efa niasa, tsy mifidy marika izany. Tanjona ny hampihena ny voka-dratsy ateraky ny fako plastika. Nahatra­tra 3 500 000 ny tavoahangy voaangona nanomboka ny taona 2019, nametrahana ny tetikasa Kopakelatra. Navadika ho potika plastika, hahodina ho lasa vokatra hafa indray, na ilay atao hoe « Toekarena mihodina », toy ny akanjo, « auto-bloquant », …. Hamafisin’ny Star ny toerany amin’ny maha orinasa tompon’andraikitra ara-tontolo iainana azy. Mivelatra kokoa ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka vaovao sy ny fomba fanangonana fako plastika.

Njaka A.

Partager sur: